Hiady ny ho lohalaharana ny tanjona ho an’ny taranja atletisma, mandritra ny lalaon’ny Nosy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, Raherison Dominique. Tsy vita mora anefa izany fa tsy maintsy manomana, hoy hatrany ny nambarany. Izany indrindra no hisaorany ny fitondram-panjakana manome fiofanana ny atleta toy izao. Ankoatra ireo […]
Taratra
JIOI-Fiofanana any Chine: afaka efa-bolana vao hiverina ireo atleta 51
Lasa omaly, ireo atleta andiany voalohany, hiatrika ny fiofanana any Chine, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto Madagasikara. Afaka efa-bolana vao hiverina eto an-tanindrazana. Atleta miisa 29 miaraka amin’ny mpanazatra 2, avy amin’ny taranja atletisma sy fibatana fonjambyireo nanainga omaly, haka traikefa any Chine. Niara-dalana amin’izy ireo ny solontenan’ny […]
Tambajotran-jiolahy ; dimy lahy indray matin’ny zandary
Ravan’ny zandarimaria avy ao Maevatanana ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadina sy mpanakan-dalana. Taorian’ny nahafatesan’ ireo jiolahy telo lahy saika hanafika taksiborosy avy ao Mahajanga saika hihazo ny renivohitra ny alahady teo. Nitohy ny famotorana ny raharaha. Voa-sambotra mialohan’io kosa ireo namany roa lahy voatondro ho atidoha nikotrika iny fanafihana iny. […]
Fiantsonana : havaozina isan-taona ny an’ny taxi sy olon-tsotra
« Tsy maintsy havaozana isan-taona ny toeram-piantsonana rehetra na ho an’ny taxi na ho an’ny olo-tsotra eto Antananarivo », hoy ny tale jeneralin’ny orinasa monisipaly misahana ny fitantanana ny parking (SMGD), Andriamananony Thierry, raha nanontaniana teny Analakely, omaly. Voakasik’ izany fanavaozana izany, ny fampihenana ireo fiara afaka miantsona eny amin’ny toerana voatondro. […]
Kaominina Toamasina : tsy afa-po amin’ny asa ny mponina
Mahatratra 2015 ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina ambonivohitra Toamasina. Mitsinjara 1117 ireo mpiasa tsy raikitra, miisa 898 ny mpiasa raikitra. Mitaraina sy milaza fa tsy afa-po amin’ny asa voaray ny ankamaroan’ny mponina. Nilaza izy ireo fa mahatratra 30.000 Ariary ny vola omanina vao mahavita sora-piankohonana ao amin’ny kaominina. « Mbola […]





