Nisy fivoriana adisisika nataon’ny sampandraharaha miady amin’ny tazomoka tany Ambatondrazaka ny herinandro teo. Tanjona ny hampitombo hatrany ny fahamailoana amin’ny trangana tazomoka sy ny fiaraha-miasan’ny mpisehatra rehetra eny ifotony amin’ny ady amin’ity aretina ity. Ny mampiavaka ny faritra, izay anisan’ny antony mampiakatra ny tazomoka dia izy betsaka tanimbary, misy ny […]
Taratra
Tetikasa ankizy krismasy : foana ny haban’ireo kaontenera
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanafohanana tanteraka ny haba sy hetra ho an’ireo kaontenera miisa 49 misy fanomezana natokana ho an’ireo ankizy sahirana eto Madagasikara. Fiaraha-miasan’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy miaraka amin’ny ONG Tetikasa ankizy Krismasy (Tak) no hahatongavan’ireo […]
CNIDH : nampahafantarina ny fifanarahana momba ny zo sivily sy politika
Nanao fampirantiana ny momba ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo sivily sy politika ho an’ny vahoaka, omaly ny Vaomiera mahaleotena momba ny zon’ olombelona (CNIDH) teny amin’ny Parvis Analakely. Naranty sy nazavaina ho an’ ny mpitsidika izany miaraka amin’ny fandraisana fitarainana momba ny tsy fanajana ny zon’olombelona, hoy ny filoha […]
Nakatona ny ENS : nahita vahaolana iraisana ny mpianatra sy ny MEN
Nanao fanambarana ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo fa mikatona nanomboka ny 7 desambra lasa teo hatramin’ny fotoana tsy voafetra ny Ecole normale supérieure (ENS) eny Ampefiloha hitandrovana ny filaminana sosialy. Tsy nanao fampilazana mialoha ny hanao fitokonana ireo mpianatra ireo ka hoentina eny amin’ny filankevitry ny fitsipi-pifehezan’ny oniversite ny mahakasika ireo […]
Faritra 19-Sehatra tsy manara-drafitra : Ivontoerana valo miantoka ara-pahasalamana olona 643 796
Nampiroboroboana ny fitsanganan’ny toeram-piantohana momba ny fahasalamana misahana ny sehatrasa tsy manara-drafitra ahazoan’ny olona maro misitraka tolotra ara-pahasalamana manana kalitao tsara. «Amin’izao fotoana izao, valo ny fikambanana misahana ny fiantohana ny fahasalaman’ny mpikambana misandrahaka amin’ny faritra 19 ao anatin’ny federasiona Miara-Miahy», hoy ny filohan’ny federasiona, dokotera Randriamalala Vero. Mivelona sy […]




