Taratra

Nangalatra 7 000 Ar : zazavavikely nafatotra tongotra aman-tanana

«Zanaka tiana tsy hitsitsian-drotsakazo», hoy ny Ntaolo. Mivadika ho heloka bevava kosa rehefa mihoatra ny tokony ho izy. Saika maty noho ny vono nataon-dreniny ny zazavavikely tratra nangala-bola, omaly. Tsy misy fo nangoraka amin’ny maha reny! Sady nodarodarohany no nofatoran’ny ramatoa ta­min’ny tady ny zazavavikely iray, omaly, tao amin’ny tanànan’i […]

Nikasa handositra : mpamono olona voatifitry ny polisy

Nifarana hatreo ny asa ratsiny! Maty voatifitry ny polisy nandritra ny fikasany handositra ny jiolahy raindahiny iray tao Tsaraham­ben­drana, distrikan’i Farafan­gana, afakomaly. Voasam­botra ny 7 desambra teo, natao fanadihadiana lalina ity jiolahy ity ary niaiky ny heloka vitany. Nambarany ny polisy avokoa ireo asa ratsy rehetra efa nataony. Fantatra tamin’ […]

Fidorohana rongony: valo lahy noraofin’ny polisy

Lehilahy miisa valo no voasambotry ny polisy, afakomaly, tao amin’ny fokontany Tsiamahavaokely-Mo­rondava. Tratra nifoka rongony ireo lehilahy ireo ka indray noraofin’ny polisy avokoa. Fantatry ny polisy ao an-toerana ny ny fisiana andiana lehilahy maromaro mifoka rongony. Fantatra tamin’izay koa ny toerana sy fotoana fanaovan’ izany. Vokany, nametraka ny paik’ ady […]

Sakaiza manody : tratra ireo nanindrona antsy ny namany

Taorian’ny fahitana vono olona iray teny Dorodosy Imerimanjaka, ny 27 oktobra teo, nidina ifotony nanao ny fikarohana izay nahavanon-doza ny polisim-pirenena teny an-toerana. Roa volana latsaka aty aoriana, voasambotra omaly ireo roa lahy mpamono olona. Marihina fa nipetra-drery ity tovolahy ity ary hita faty tao an-tranony. Nitohy ny fikarohana nataon’ny […]