Taratra

Mpivady novonoina: hatao hazalambo ilay lehilahy nahavanon-doza

Karohin’ny zandarimaria fatratra ilay lehilahy tompon’omby voatondro nitifitra ireo mpivady havany ny talata teo tao Mandranga, distrikan’Ihosy. Karohina fatratra ilay lehilahy voatondro ho nahafaty ireo mpivady havany tao Mandranga fokontany kaominina Maha­soa ny talata teo. Hatramin’ ny ora nanoratanay farany, mbola anatin’ny fanarahan-dia ny zandarimaria. Zava-doza no niseho tao Mandranga, […]

KFW -MNP : fanampiana ireo mponina manodidina ny faritra arovana

Natao omaly tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny sonia teo amin’ny banky alemaina KFW sy ny fanjakana malagasy, nosolo­in’ny minisiteran’ny Toekare­na sy vola ary ny MNP, eo am­bany fiahian’ny minisiter­an’ny Tontolo iainana. 12 tapitrisa euros, dingana faha-5 izao azo avy amin’ny banky KFW izao hanohanana sy hitantanana ireo faritra arovana (Madagascar […]

Tobin-drano Amoronakona : ho vita anio ny fanarenana ny simba

Simba ny paompy mampakatra rano eny Amo­ro­na­kona, nanomboka ny zoma 2 desambra teo. Tapaka, noho izany, ny famatsian-drano teny amin’ny faritra Ambo­himahitsy, Ankotsirano, Iki­anja, Ankadindambo, Ambo­himangakely, Ambohiman­ga­kely Manambina, Am­bo­vo­kely, Ambatomaro, Antso­bo­lo, Ankandrina, Ampatsy, Soamanadrariny, Ambohibe. Nohazavain’ny tale misahana ny rano ao amin’ny Jirama, Ramarosandratana Rija, oma­ly, nandritra ny fandalovan’ny minisitry […]

Fitantanana ny vola avy any ivelany: nahatratra 64,5% ny tahan’ny fandaniana ny famatsiam-bola azo

Tsy lany araka izay voasoritry ny sora-bola ny vola azon’ny fanjakana avy any amin’ny mpamatsy vola. Mila hahitsy sy hatsaraina ny fomba fitantanana ary hamafisina ny fifanakalozana antontam-baovao ho an’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Natao, omaly, ny atrikasa nampahafantarana ny tomban’ezaka sy ny fitakiana voarakitry ny fa­na­dihadiana mikasika ny tah­an’ny […]