Taratra

Antsohihy: dahalo raindahiny maty voatifitra

Maty rotiky ny balan’ny zandary, omaly, i Sirama, dahalo anisan’ireo mampitondra faisana ao Antsohihy. Tokony ho tamin’ny 03 ora maraina teo, nifanjevo ny zandarimaria sy ireto olon-dratsy. Tafaporitsaka nandritra izany ireo roa lahy namany raha lavo kosa ity dahalo ity. Ma­laza amin’ny halatr’omby, fanafihana mitam-piadiana ary mpanakan-dalana eny amin’ny lalam-pirenena […]

Basikety-Fanomanana JIOI: hanamafy ny fandreseny an’i Mayotte ny GNBC

Hiditra amin’ny lalao mi­verina, amin’ny fanomanan-tenan’ny lalaon’ny Nosy, anio, ny ekipan’i Mayotte sy ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena malagasy GNBC. Lalao hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsiahivina fa efa resin’ny GNBC tamin’ny isa 61 no ho 54 ny ekipan’i Mayotte, ny talata 7 febroary lasa teo ka izao hanamafy ny fandreseny […]

Rugby « 6 Nations » : voalohany ny Trèfles Irlandey

Notanterahina ny farany herinandro lasa teo, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na «6 Nations», taranja rugby. Manjaka tanteraka ny Trèfles Irlandey, izy ireo hatrany no eo amin’ny laharana voalohany, ary manana isa 10. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, hihaona amin’ny ekipa italianina izy ireo, […]