Taratra

« Cocaïne » 18 kitapo: tsy nahazo fahafahana ilay “assistant parlementaire”

Niakatra tao amin’ny lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, ny raharaha momba ny zava-mahadomelina mahery “Cocaïne” naha voasaringotra ny “Assistant parlementaire” avy ao Vangaindrano. Nolavin’ny fitsarana ao Toamasina, omaly, ny fangatahan’ilay «assistant parlementaire» ao Vangaindrano voatonontonona tamin’ny fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika. Nandritra ny famakian’ny mpitsara ny […]

Tselatra

Nanao fanarahan-dia dahalo nangalatr’omby, nifanena tamina andian’olona ny mpitandro filaminana valo lahy avy ao amin’ny tobin’ny zandarimaria ao Anjiajia, afakomaly maraina. Nanao ny fisavana karatra ireto andian’olona nifanena taminy ireto ny zandary. Nandà izany ireo olona ireo. Nanao tifi-danitra taorian’ireo ny iray tamin’ireo mpitandro filaminana. Tezitra ireo andian’olona ka nanakana […]

Ihosy : zaza hita nandeha irery

avy any an-toerana. Ni­la­za izy fa avy any Masoabe distrikan’i Vohibato raha ny fanadihadiana natao taminy. Tsy na­hare fahaverezana zaza varira ny zandary tany an-toe­ra­na ha­tramin’io fo­toana io. Ary tsy mbola nisy fitarainana mikasika izany ihany koa. “Tsy mbola fantatra hatreto na avy any Masoabe marina izy na tsia fa […]

Firongatry doro ala : fasana miisa 7 kila forehitra niaraka tamina taolam-paty

Hotohoton’ny afo niaraka tamin’ireo fasana fito ny taolam-balo tao anatiny vokatry ny doro ala tao Ambatomiritika anatin’ny fokontany Sahamelo­ka kominina ambanivohitra Fa­nandrana disitrikan’ i Toama­sina faharoa ny alahady 4 de­sambra tolak’ andro teo. May ireo razana tao an-davaka ary tsy nisy azo noraisina intsony ny fasana nitafo ravim-potsy. Misy tamin’ireo […]

Zava-mahadomelina: voasam­botry ny polisy ireo mpamatsy rongony

Tratran’ny polisy afak’omaly ireo mpamatsy rongony avy ao Analalava sy mivarotra izany eto andrenivohitra. Voasakan’ny polisy teo amin’ ny « barrage » Ankazobetsi­hay ny taxi-brousse iray mampitohy an’Ambanja sy Antananarivo tamin’io fotoana io. Nahenona fofona rongony ny fitoeran’entana tao ambany seza ka nosavaina. Hita tao anatina sakaosy mi­isa dimy ireo rongony […]