Nirefodrefotra ny basy tao Ankazobe, afakomaly. Nandriaka tanteraka ny ra rehefa nifandona ny zandarimaria sy ny andian-dahalo, ekipan’Iaris. Vokany, dahalo iray lavo, roa hafa azo velona niaraka tamin’ny basy vita gasy. Zandary iray ihany koa maty voatifitra nandritra ny fifandonana. Manao hetsika manokana any an-toerana ireo zandary ao Ankazobe, hatramin’ny […]
Taratra
Saika hanafika: jiolahy iray maty voatifitry ny polisy
Lavon’ny polisim-pirenena ny alin’ny talata alina teo ny jiolahy iray isan’ireo saika hanafika teny Ambohimirary. Azo ny basy ny nampiasainy, karohina fatratra ireo namany. Nanakoako ny feom-basy teny Ambohimirary ny talata teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Nifampitifitra tamin’ny polisy ireo andian- jiolahy saika hanafika trano teny […]
Fiavian’ny fety: tafakatra 20.000 Ar ny kilaon’ny vatomamy
19 andro mialoha ny fiatrehana ny Krismasy, tsy mbola taitra amin’ny fividianana firavaka sy ny vatomamy ny olona. Hita taratra teny amin’ny tsenaben’Analakely izany, omaly. Na izany aza, manomboka miakatra tsikelikely ny vidin-javatra. Tafakatra manodidina ny 20 000 Ar mahery ny vidin’ny vatomamy, raha manodidina ny 15.000 Ar amin’ny andavanandro. Manodidina […]
Andron’ny indostria aty Afrika: « Tsy misy indostria mandeha raha tsy ampy ny angovo … »
Toy ny fanao isan-taona, nankalazaina omaly ny Andron’ny indostria aty Afrika, notarihin’ny minisitera misahana ny fampiroboroboana ny indostria, varotra sy fanjifana (Micc) niaraka tamin’ny Onudi, sampan-draharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny indostria. Eto Madagasikara, natao ny fankalazana nifampizarana vaovao momba ny indostria sy fampirisihina ny rehetra. Nitodika tamin’ny tomponandraikitra […]
Herinaratra : andrasana ny tetikasa Volobe II Toamasina
Anisan’ny nandray anjara nandritra ny hetsika ara-toekarena faritra Atsinanana (1-3 desambra) sy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo (23-25 oktobra) teo ny tetikasa Volobe II. Efa nanaovan’ny governora Rafidison Richard Théodore, antso avo, nandritra ny fanokafana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo, ny tokony hanomezana ny fahazoan-dalana hiasan’ny tetikasa ataon’ny […]




