Taratra

Namorona ilay fandihy miavaka… : nankasitrahana, nomena trano i Bahoejy

“Bahoejy, adiresy tsy miova”, hoy ny tononkiran’i Tianjama izay. Tsy hadinon’ny rehetra ka nomena trano fonenana, ho fankasitrahana ny zava-bitany ho an’ny zavakanto i Bahoejy. Eny, olombelona tokoa ilay hoe Bahoejy! Maro ireo tsy nahalala izany, kanefa mahafantatra tsara kosa ny dihy sy ny gadona bahoejy. I Bahoejy no namorona […]

Fakafaka: Harena ny fahasamihafana !

Raha hain’ny Malagasy ny milomano ao anatin’ny harena ny fahasamihafana, hisongadina tsy ho ela i Ma­dagasikara. Sanatria hifamadika amin’izay ihany koa anefa raha mitavozavoza ny Malagasy. Saika tafiditra ao anatin’io avokoa ny lafim-piainana rehetra, toy ny toekarena, fiarahamonina, kolontsaina, politika, fanatanjahantena… I Madagasikara rahateo midadasika be ! Ho an’ny kolontsaina, […]

Governora faritra Analamanga : “Tsinon­tsi­nona izahay rehefa tsy eo ny filoha”

“Tsinontsinona izahay sy ny minisitra na tomponandraikitra, rehefa tsy eo ny fi­lohan’ny Repoblika. Inona izany no tokony hataontsika? Manampy ny filoha isika”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaro­maka Hery, teny Talata Vo­lonondry, ny farany herinandro teo, tamin’ny fametrahana ny vato fototra ny fanamboarana ny lalambe migodana. Fanatanterahana ny veliranon’ny filoha […]

Fiatrehana fifidianana : hanara-maso ny lisitry ny mpifidy ny vehivavy Tim

Nifamory teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko etsy Bel Air ireo vehivavy Tim, ho an’ny faritra Analamanga, ny faran’ny herinandro teo. Ni­tarika izany ny filoha nasio­naly, Ravalomanana Marc. Nambarany tamin’ny toromarika nomeny ireo mpikambana sy ny fanentanana nataony ny tokony hanarahan’izy ireo maso ny fizotry ny fanoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Eo koa […]

Mpiasan’ny Antenimierandoholona : tsy fahaiza-mitantana no tsy mahavoaloa ny karama

“Mitohy ny tolonay. Tafi­ditra ao amin’ny kaontinay ny karamanay, dia mandray asa izahay”, hoy ny filohan’ny sendikàn’ny mpiasan’ny An­tenimierandoholona, Raza­fima­haro Famatanantsoa, teny amin’ny lapan’ny Antenimie­randoholona, Anosikely, omaly. Fitantanana tsy milamina sy tsy mirindra ao anatiny ary tsy mitsinjo ny tsy maintsy zakaina amin’ny fandaniana fototra ho tonga hatramin’ny volana desambra […]