Taratra

Fiara nivadika: zaza valo volana maratra, maty ny reniny

Namoy ny ainy teny amin’ny HJRA ilay vehivavy 31 taona niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambodisaha Ambatomirahavavy, ny alahady teo. Mbola tazomina eny amin’ny sampana vonjy aina kosa ny zanany vao valo volana. Tranga mampalahelo. Renim-pianakaviana iray namoy ny ainy noho ny fivadihan’ny fiara nitondra azy teny Ambodisaha Ambtomirahavavy, ny alahady hariva […]

Oniversiten’ i Toamasina : Filoha vaovao ny dokotera Razanakolona Diny

Tontosa ny asabotsy 3 desambra teo tetsy amin’ny Campus” Barikadimy, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny  filohan’ny oniversiten’ i Barikadimy vaovao, ny dokotera Razanakolona Diny. Filoha faha-8 tamin’ ireo nifandimby nitantana an’ ity Anjerimanotolo ity izy hatramin’ny nisiany, ny taona 1977 ka hatramin’ izao 2022 izao. Ny dokotera Tsi­zaraina Emile […]

Ortana: fitsidihana an’i Miadanimerina

Mitohy hatrany ny fitsidihana ny toerana manan-tantara sy ny mpampiavaka azy eto Antananarivo sy ny manodidina, karakarain’ny ofisim- paritry ny fizahantany Anala­manga (Ortana). Tanjona ny hampiroboroboana ny fizahantany eto an-toerana, ho an’ny malagasy, sady hanomezana lanja ny isan-toerana ihany koa. Eny Miadanimerina, ma­he­­rin’ny 20 km, atsinanan’ An­tananarivo ny toerana hotsidihana […]

Minisitry ny Toekarena sy ny vola : « Mpitantam-bola no miantoka ny fampandehanan-draharaha … » 

Manoloana ny mpiasan’ny Antenimierandoholona mbola tsy nandray karama volana novambra 2022, nitondra fanazavana, ny faran’ny herinandro teo ny minisitry ny Toe­karena sy ny vola, Ra­barinirinarison Rindra Hasim­belo, naharay ny fangatahan’izy ireo. Tamin’izany ny nilazan-dRtoa minisitra fa samy manana ny mpitantam-bolany ny Andrimpanjakana tsirairay, HCC, Antenimieran­doholoana, Antenimieram­pi­renena, minisitera, sns fa ny […]

Minisitera roa : miara-misalahy hanatsarana ny varotra

Ny 1 desambra 2022, nandray ny fiarakodia 4×4 enina (06) avy amin’ny tetikasa fampandrosoana sy fanamorana ny varotra – PACFC (1) ny minisiteran’ny Indostria, varotra sy fanjifana (Micc). « Afaka ny sakana ara-materialy. Hanafaingana ny fanatanterahana ny asa ny fahazoana ireo fitaovaona ireo”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny Micc, Rakotondramanana Onja Miandry. […]