Anisan’ireo nitondra takaitra taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza farany teo ary mitoka-monina tanteraka ankehitriny ny distrikan’Ambato Boeny. Araka ny efa nambaran’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry nandritra ny diany tao Marovoay ny herinandro lasa teo, tonga nitondra fanampiana ireo tokantrano traboina miisa 1105 tao Ambato Boeny izy ny faran’ny herinandro teo. Dibo-drano ny ankamaroan’ny […]
Taratra
Rugby – “6 Nations”: resin’i Irlandy i Frantsa
Taorian’ilay fandresena in-14 nisesy, lavon’ireo Trèfle “Irlandais” ny XV France, ny asabotsy lasa teo, tany Irlandy. Lalao rugby izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na «6 Nations». Resy tamin’ny isa 32 no ho 19 ny ekipa Frantsay tamin’ity fihaonana ity. Nanjakan’ny Trèfle tanteraka ny lalao ary hita fa […]
Rugby: mitaky ny mangarahara ny ekipa « Top 20 »
Miisa 14 ireo ekipa ao amin’ny Top 20, izay mitaky ny taratasy mangarahara na ny “certificat de conformité” an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Araka izany, nangataka ny tsy hanaovana ny fifaninanana Top 20, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity, izy ireo. Araka ny valan-dresaka nataon’ireo ekipa 16 tonga teny Antanimena, ny omaly. […]
Lomano-Analamanga : nanokatra ny taona 2023
Nisokatra ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha, ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Fifaninanana teo amin’ny sokajy « Jeunes » ny nanombohana izany, izay nivondronan’ireo seksiona sy klioba mandrafitra ny ligin’ Analamanga. Mbola ho avy ny fifaninanana natokana ho an’ny sokajy hafa, fa fanombohana ity, […]
Kitra any ivelany: afaka mifandona amin’ny Bayern i Messi, Tsy mbola fantatra i Mbappe
Hotanterahina amin’ny talata ho avy izao ny lalao mandroson’ny ampahavalon-dalana ny “Ligue des Champions”Eoropa. Afaka milalao tsara amin’ny fihaonan’ny PSG sy Bayern, i Lionel Messi, mpilalao PSG. Ary tsy mbola fantatra ny an’i Mbappe, lohalaharana PSG. Afaka tamin’ny adin-tsaina ny mpakafy Paris Saint-Germain, klioba Frantsay, raha nijery ny tambajotran-tserasera, omaly. […]





