Taratra

Kitra – “Orange Pro League 2022”: rava tsy lera ny lalaon’ny Ajesaia sy ny TFFC

Tsy tontosa hatramin’ny farany ny lalaon’ny Ajesaia Bongolava sy ny Tsaraman­droso Formation Boeny (TFFC). Fihaonana, notanterahina teny amin’ny kianjan’Ambo­hi­dra­trimo, omaly alahady ary tafiditra amin’ny andro fahatelo, ho an’ny kaonferansy avaratra. Niato teo amin’ny minitra faha-87, noho ny fifandonan’i Feno, mpilalaon’i Bongolava sy ny mpiandry tsatobin’ny TFFC, ka nahatonga ny fifampikasihan-tanana, […]

Bodybulding-Tompondaka eran-tany: hiakatra an-tsehatra rahampitso ny Malagasy

Bokona hozatra malagasy 5 mianadahy no nihazo an’i Thailande hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja Bodybulding. Vonona tanteraka izy ireo hiambozona medaly. Hanomboka rahampitso any Thailande ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja body­bulding. Manana solontena 5 mianadahy ny Malagasy, ahitana an-dRandrianari­manana John Mario (Bigman), Marinjara Maurice, Andria­tsilavina […]

Seho sy boky: nahasarika olona ny “Vahindanitra”

Araka ny efa nampoizina, nahaliana olona maro, mpianatra, mpampianatra, mpankafy literatiora sy mpikaroka isan-karazany ny hetsika “Vahindanitra” notantera­hin’i Riva, ny zoma 2 desambra teo tetsy amin’ny Trano­m­bokim-pirenena Anosy. An­ko­atra ny seho an-tsehatra, nomarihina tamin’ny tsangambato famoaham-boky “Vahindanitra” izany. I Ma­m­pandriniaina Manitra teo amin’ny fanentanana. Name­lona ny seho tamin’ny fiantsana ry […]

Inalco – Havàtsa-Upem: nomarihina ny «Andron’ ny haisoratra malagasy»

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ ny Havàtsa-Upem. Nomari­hi­na, ny 3 desambra teo, tao amin’ny Inalco Frantsa (Ins­ti­tut national des langues et civilisations orientales) ny «Andron’ny haisoratra mala­gasy». Anisan’ny nomena lanja lehibe ny maraina ny tantaran’ny haaisoratra mifandraika amin’ny tantaram-pirenena, notanterahin’i Hajaina Andrianasolo, filohan’ny Ha­và­tsa-Upem manontolo. Tafi­di­tra tao anatin’izany […]