Taratra

Fimpima 60 taona : alefa « Fb » ny « i-Zara fahendrena »

Tafiditra ao anatin’ny fankalazan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima) ny faha-60 taonany. Noforonina ny fandaharana « i-Zara fahendrena », karazam-panabeazana sy fitaizana ho an’ny rehetra mba ho tonga olom-banona sy hanome hasina ny kolontsaina maha malagasy. Fantatra fa amin’ny alalan’ny « Face­book » (Fb) no handefasana izany isan’andro. Amin’ny 6 ora maraina (Oran’i Madaga­sikara) […]

Depiote Ratafika : “Aoka hohajaina ny lalàna “

“Be dia be ny zavatra takin’ny mpanohitra amin’izao. Ohatra amin’izany ny fidirana ao anatin’ny rafitra fitantanana fifidianana. Tsy misy mandà an’izay, saingy mila fantarina fa tany misy lalàna sy tan-dalàna i Mada­ga­sikara”, hoy ny depiote IRD, Ratafika, manoloana ny fitakian’ny mpanohitra sasany hiditra ao amin’ny Vao­mie­ram-pirenena mahaleo tena misahana ny […]

Fananganana ny ZLECAF : handray anjara amin’ny fivorian’ny vondrona Afrikanina i Madagasikara

Hontosaina ny asabotsy 18 Aprily hatramin’ny Alahady 19 Aprily 2023, ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana sy ny lehibena governemanta avy amin’ireo firenena mikambana ao anatin’ny vondrona Afrikanina. Ao Addis-Abeba, Ehiopie, no hanatanterahana ity fivoariana ity. Fivoriana izay miditra amin’ ny andiany faha -36. Loha­hevitra nosafidiana tamin’ity taona ity ny fanafainganana ny […]

CMVP-Safid: “Misy kandidà manana tombony”

“Eo amin’ny hoe kandidàm-panjakana sy ny kandidà tsotra no tena olana amin’ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra izay tsy misy lalàna mifehy azy”, hoy ny filohan’ny Cellule de moralisation de la vie pub­lique – Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid), Randria­malala Robert Charly. Manana tombondahiny kokoa ny kandidàm-panjakana noho izy manana […]