Niakatra ny lentan’ny fifaninanana “Grand Slam”, taranja Judo, notontosaina tany Paris, natao ny herinandro lasa teo. Judokas kalaza avokoa no nifandona tamin’ny solontena Malagasy ka tsy tafavoaka teo amin’ny fihodinana voalohany izy 3 mianadahy niatrika ny fifaninanana. Tsiahivina fa Randrianasolo Lova Mahaisoa, sokajy latsaky ny 73 kg, Rakotoarivony Royal, sokajy […]
Taratra
Tenisy-Afrika U18: tompondaka lefitra sokajy olon-droa i Miotisoa sy i Gloriana
Nifarana, omaly, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika “continental”, latsaky ny 18 taona, notanterahina tany Le Caire, Egypta. Tompondaka lefitra teo amin’ny sokajy olon-droa, Rasendra Miotisoa sy i Gloriana Nahum. Resy tamin’ny seta 2 no ho 1 Rasendra Miotisoa, teratany Malagasy sy ilay Béninoise Gloriana Nahum, omaly, teo amin’ny lalao […]
Antenimieran-doholona : hanao tetikasa lavitr’ezaka miaraka amin’i Frantsa
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, omaly tetsy Anosy, ny loholona frantsay, Rtoa Samantha Cazebonne sy ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika, Arnaud Gaulois. Nanatrika ny fotoana koa ny kestiora, Eddie Fernand Serge. Noresahana ny lafiny fampianarana, ny kolontsaina ary ny tontolo iainana. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa ahazoan’ny andaniny sy ny ankilany […]
Efa nokarohina hatry ny ela…: tratra ireo jiolahy roa mpivarotra finday halatra
Voasambotry ny polisy misahana ny heloka an’habaka Anosy, teny Ambodin’Isotry, ny talata teo, ireo mpangalatra finday gagilahy eto an-drenivohitra. Jiolahy nokarohina efa hatry ny ela ireto roa lahy tratran’ny polisy. Raha ny fanazavan’ireto farany, maro ny fitarainana voarain’ity sampandraharaha ity momba ny fisian’olona mivarotra finday avolenta kanefa halatra sy tsy […]
Jirama: ho tapaka ny jiro Anosizato hatrany Itasy anio
Hita avokoa ny fototry ny olana mikasika ny famatsiana herinaratra miainga eny amin’ny toby « sous-station Tana Sud » Anosizato hatrany amin’ny faritra Itasy. Tsy maintsy hatao, araka izany, ny fanarenana sy ny fanamboarana ny simba. Nilaza ny tompon’andraikitry ny Jirama fa sarotsarotra ny asa sady maro ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fanapahana […]





