Taratra

Antenimieran’ny varotra sy ny asa tanana: tandindonin-doza ny ho avin’ny mpiasa ao Toamasina

Tandindonin-doza indray ny mpiasam-panjakana ma­nodina tsy ankiato ny fampandehanana ny Antenimie­ran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana ao amin’ny faritra atsinanana. Noho ny ady misy eo amin’ny vondron’ny mpandraharaha roa nandray anjara tamin’ny fifidianana tamin’ ireo efatra no mahatonga izany: ny Goept sy ny Geptoa. Man­gina kosa ny […]

Ampangabe : namboly zanakazo 6 000 ny MMRS

Natao, omaly zoma 10 fe­broary ny fambolen-kazon’ ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS). Teny amin’ny fokontany Ambohi­barikely Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrika Atsimondrano no nanatan­terahana izany. Miisa 6 000 fototra ny zanakazo nambolena tamina velarantany 3 ha. Nandray anjara avokoa ny mpiasan’ny minisitera foibe sy […]

Varotra Fiara : niampy telo ny vokatra GWM eo anivon’ny CT Motors

Manaraka ny lentan’ny fivoarana eo amin’ny tontolon’ny fiarakodia ny CT Motors. Niampy telo indray ireo karazana fiara amidy ao aminy. Mitohy ny fandraharahana fiara avy amin’ny vondrona Great Wall Motors (GWM) ataon’ny eo anivon’ny CT Motors. Fiara karazany telo anatin’ireo hika farany vokarin’ny GWM indray no azon’ny mpakafia kodiarana efatra […]

Faritra Analamanga: nohavaozina ny drafitra fiomanana amin’ny hamehana

Nisy atrikasa fanavaozana ny drafitra fiomanana ho amin’ny hamehana ho an’ny faritra Analamanga. Tonto­saina mandritry ny roa andro teny Manjakaray, araka ny fampitam-baovao avy amin’ ny BNGRC, tamin’ity herinandro ity izany. Ao anatin’ ny vanim-potoan’ny fahavaratra tanteraka izao ka tsy mbola tara ny fiomanana ny ho amin’izany. Iray foana ny […]

Sosialim-bahoaka: hajoro ao Amoron’i Mania ny GTPS

Nandinika ny fananga­nana ny vondron’ireo tompon’andraikitra hisahana ny fiahiana ara-tsosialy na ny Groupe Thématique de la Protection Sociale (GTPS) eny ifotony ireo sampandra­haraham-panjakana samihafa ao Amoron’i Mania. Nitarika ny fivoriana maika tamin’izany ny se­kretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina, Rakoto­nirina Miarisoa Patricia sy ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy, Rivomanana Tsarahita Ghisbert.. Mifototra […]