Manampy an’i Madagasikara hitahiry ny zavamananaina tsy manampaharoa i Etazonia. Natolotry ny Sampandraharaha amerikanina ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Usaid), omaly 2 desambra ny tranonkala vaovao “Hay natiora” ho an’ ny Birao nasionaly misahana ny tontolo iainana (ONE). Namatsy vola ny fanatanterahana azy ny tetikasa Usaid Hay Tao, niara-niasa tamin’ ny […]
Taratra
Hetsika SNEAH: sarihina hisehatra amin’ny rano ny tsy miankina
Tsy misitraka rano ny 68%-n’ny Malagasy! Atao etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fantanjahantena Mahamasina, nanomboka omaly hatramin’ny asabotsy 4 desambra 2022 ny andiany voalohany amin’ny Hetsika ho an’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana na « Salon de l’Eau, de l’assainissement et de l’hygiène » (Sneah). Mamolavola azy ny […]
Tsiperifery: hatsaraina ny fomba fambolena sy fitangosana azy
Anisan’ny harena voajanahary iray be mpitady any ivelany ny tsiperifery na ny dipoavradia misy rambony, tsy hita raha tsy eto Madagasikara, ka nanao fikarohana hanatsarana azy io ny Fofifa. Nampianatra ny fomba fambolena, indrindra ny fomba fitangosana azy, tsy hanimba ny voly sy tsy hanapahana vatan-kazo handadizany. Fomba taloha mantsy […]
Taolagnaro: maneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa ny QMM
Fiandrasan-draharaha (service minimum) izao ny ataon’ny QMM any Taolagnaro. Fepetra noraisina ho fiarovana ny ain’ireo mpiasa sy mpiara-miombon’antoka aminy ao amin’ny toeram-pitrandrahana any Mandena. Tsy maintsy noraisina izany fepetra fiandrasan-draharaha izany taorian’ny fametrahan’ny andian’olona sakana amin’ny làlana mihazo ny toeram-pitrandrahan’ny QMM any Mandena ka tsy ahafahana miasa am-pilaminana. Araka izany, […]
Kitra – Mondial 2026 : nakarina ho 48 ny mpifaninana
Namaly ny fangatahan’ ireo firenena maniry ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany na “Mondial” ny Federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Arakaraka ny kaontinanta ny isa firenena handray anjara izany. Nandritra ny fivoriambe tany Qatar, ny alakamisy teo, tapaka fa hakarina 48 ny mpifaninana amin’ny Mondial 2026. Hitombo, […]




