15 Martsa 1973, niorina ny antoko mpihira Orimbato ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. « Antsa Noely », efa fanao isan-taona. Hifanindran-dalana izany amin’ny alahady izao. Dimampolo taona niorenana. Hanokatra ny jaobily volamenany ao amin’ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga ny antoko mpihira Orimbato, ny alahady 4 desambra izao. Amin’io andro io ihany koa […]
Taratra
Seho an-tsehatra: hitondra ny mozikany i Rim-Ka
Vao maheno hoe, Rim-Ka, mby ao an-tsain’ny rehetra ilay hirany « Very jery ». Anisan’ny vazo malaza tsy afaka am-bavan’ny tanora amin’ izao fotoana ary hanana ny toerany mihitsy amin’ity faran’ ny taona ity izany. Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Ethnika Analakely i Rim-Ka, rahampitso zoma 2 desambra, manomboka amin’ny 9 ora […]
Kitra – OPL : hifandona ny CFFA sy Jet Kintana FC
Hiady ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Jet Kintana FC Itasy. Lalao tafiditra amin’ny andro fahatelo ny fifaninam-pirenena taranja baolina kitra eto an-toerana, diviziona voalohany na “OPL”. Fihaonana hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Mahitsy, amin’ny alahady 04 desambra. Raha hiverenana ny andro faharoa izy ireo, […]
Basikety-Elites Jeunes: hiofana any Senegaly i Taratra sy i Anyssa
Hotontosaina any Senegaly, ny 3, 4 ary 5 desambra izao ny fampiofanana ireo tanora afrikanina mpilalao basikety sangany na ny « Elites Jeunes ». Ho fanohizana ny « Youth Camp », izay nataon’ izy roa vavy, ny volana oktobra lasa teo, hihazo an’i Senegaly indray, Ramahatra Taratriniaina Muriel sy Rakotonanahary Joanie Anyssa, haka traikefa. […]
CJSOI: mbola baraingo ny fandraisana anjaran’i Madagasikara
Hotontosaina ny 4 hatramin’ny 11 desambra izao atsy amin’ny Nosy Maorisy ny CJSOI (Jeux de la Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien), 2022. Efa vonona tanteraka i Maorisy. Efatra andro tsy hanombohan’ny fifaninanana, mbola baraingo ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ity andiany faha-12 amin’ny CJSOI hatao any […]




