Taratra

CUA : Nohalefahana ny hetran-trano, tsy mandoa ny fiangonana sy sekoly

Nirovy tsy ara-potoana tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny eo anivon’ny filankevitra monisipaly, oma­ly. Anton’izany ny fangatahan’ny mpanatanteraka amin’ny hanalefahana ny hetra. No­dinihina nandritra izany ny fanitsiana ny fanapahana “Dé­liberation N°002-CUA/ CM/Délib.22” momba ny fanalefahana ny hetran’ny taona 2021 sy ny 2022 ho an’ireo mpandoa hetra rehetra manerana ny boriborintany […]

Voalohan-karena

Efa tena mivadika ny tany! Aiza ka volana novambra anaty fahavaratra no mampirongatra ny aretina gripa mahery miampy ny Covid-19. Mipetraka foana ny fanontaniana isaky ny mahita olona mitangorongorona: fa misy inona ao? Hay moa, toeram-pizahana fahasalamana feno olona milahatra, mitondra marary. Mahonena mahita ireo zazakely mitolona amin’ny aretin-tratra, kanefa […]

Nirefodrefotra ny basy: jiolahy roa voatifitra, tafaverina ny volabe

Nirefodrefotra ny basy teny Ambatomirahavavy, omaly atoandro. Lavon’ny zandarimaria ny jiolahy roa, nandroba vola mitentina 17 tapitrisa Ar. Atao hazalambo ireo namany. Nanakoako teny Amba­to­mirahavavy ny poa-basy, omaly. Nifanen­jehana ireo mpandroba, nikasa ny haka ilay volabe t$anaty sakaosy. Niala maina anefa rehefa tonga ara-potoana ny zandary. Tafaverina ny vola. Taorian’ny […]

Tselatra

Zazavavikely efa-taona sy fito taona no voalaza fa voaolan’ny dadatoany, afakomaly, tao Ambohitrandrina-Bejofo, faritra Alaotra Mangoro. Simba tanteraka izy roa vavy raha fizahana nataon’ny mpitsabo, hoy ny loharanom-baovao iray. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao Ambohibary faritra Amoron’i Mania. Efa inefatra voatafika io tanàna io tao anatin’ny fotoana vitsy ka manao […]

Saika hamaky trano: mpangalatra notapahina ny rantsan-tanany

Sendran’ny nahay azy, voarasan’ny antsy be ny tanan’ny mpangalatra iray tao avaratr’Ampasinjeva, Mana­ka­ra, ny alahady hariva teo. Nikasa hangalatra tao amina tokantrano iray ity lehilahy ity. Nihidy avy any anatiny ny trano ka niezaka nanokotra karetsaka izy. Kinanjo, tsy nampoiziny fa hitan’ny tompon-trano ny tanany niezaka hamoha ny fanalahidy. Tsy […]