Taratra

Raharaha Rolly Mercia : naharitra ora iray sy sasany ny fitsarana

Tontosa ny tolakandron’ny talata 07 febroary 2023, teny amin’ny Lapan’ny fitsarana, Anosy, ny raharaham-pitsarana naha voampanga an’i Rahajason Harry Laurent na Rolly Mercia. Ny talata 14 febroary 2023 no hivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ity raharaha ity, araka ny nambaran’ny mpitsara. Niverina niakatra fitsarana izy, niatrika ny raharaham-pitsarana naha voampanga azy […]

Depiote Razakandrainy : “Aleo handeha ny fifidianana”

“Aleo handeha ao anatin’ny fangaraharana sy ny ara-dalàna ny fifidianana. Ho hita eo ny mandresy. Vonona hiatrika fifidianana izahay, rehefa tonga ny leran’ny fifidianana”, hoy ny depiote voafidy tany Sakaraha, Razakandrainy Henri Dominique, manoloana ny fijoroan’ny Vovonana Lera. Ny tsy mety sy voizin’ny Lera: ny fitsanganan’ny andrimpanjakana ara-dalàna ao anatin’ny […]

Mpitondra tenin’ny MMM, Rakotomalala Rija : “Tokony hanara-dalàna ny eo anivon’ny Ceni”

Natsikafon’ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga ny fomba fiasan’ny Ceni, amin’izao fotoana izao. Nohitsin’ny mpitondra-teniny, Rakotomalala Rija ny fihoaram-pefy ataon’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity. “Tokony hanara-dalàna ny Ceni. Tsy voahaja anefa izany. Heno sy hita ary anananay porofo fa mbola mandray anaran’olona amin’ny lisitry ny mpifidy izy ireo izao. Mbola […]

Filoha Rajoelina – 7 febroary : “Hanamaivana antsika ny fifamelan-keloka”

Nomarihina, omaly tetsy Antaninarenina ny faha-14 taon’ny 7 febroary 2009. No­tsiahivin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany ilay vavaka nampianarin’ny Tompo, momba ny fifamelana ka tokony hamelana ny helok’ireo rehetra nanao ratsy. “Andriamanitra hamaly ny ratsy sy ny tsara nataon’izy ireo. Antsoina kosa isika ha­mela ny helok’izy ireo. Hana­maivana antsika izany ary […]