Taratra

Taksiborosy nivadika: olona iray maty, dimy naratra

Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny RN7 anatin’ ny PK 205 + 300 teo An­dra­no­takatra, fokontany Ambohi­man­jaka, omaly maraina ta­min’ny 04 ora sy sasany. Niala tany Toliara ity taksiborosy ity. Nifandimby niteny ny mpamily vokatry ny fandehanana mafy ireo mpandeha sasantsasany. “Efa nampitandrina ny mpamily […]

Mponin’i Maromby, Amboasary Atsimo : “Tafahoatra ny fihetsiky ny mpitandro filaminana…”

Tonga eto an-dRenivohitra ny solontenan’ireo mponina avy any amin’ny Kaominina Maromby, Amboasary Atsimo any Anosy. Velon-taraina tanteraka izy ireo amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fihetsiky ny mpitandro filaminana. “Tena maharary. Man­jaka ny asan-dahalo fa eo koa ny ataon’ny mpitandro filaminana”, hoy ny solontenan’ny mponina, i Lords Justin, tetsy Ambohijatovo, omaly. […]

Indostria : laharam-pahamehana ny fanaovan-damba

Nivory tao amin’ny minisiteran’ny indostia, ny varotra, ny fanjifana(Micc), omaly 2 febroary, ireo tompon’andraikitra samihafa avy amin’ ny minisitera. Nitarika izany ny tale jeneraly momba ny indostria, Ramindo Gaetan, sy avy ao amin’ny GEFP (1) sy EDBM (2). Nampahafanta­rina ireo dingana tsy maintsy arahina raha hanangana orinasa fanaovan-damba. Anisan’ny dingana […]

Orinasa STOI : zezika 10 t ho an’ny tantsaha traboina

Misy ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny orinasa tsy miankina STOI, anisan’ny mpamokatra zezika biolojika sy ny fanjakana malagasy. Natolotr’ity orinasa ity teny amin’ny ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny 31 janoary teo, ny zezika biolojika taroka milanja 10 taonina. Entina hanohanana ny tantsaha mpamokatra, tratry ny rivodoza Cheneso farany […]