Tsy fantatra mazava raha toa ka lonilonin’ny namany na vokatry ny halatra nataony, roa lahy indray nigadra noho ny halatr’entana tetsy Ivato. Niakatra fampanoavana, nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa ireo roa lahy voasaringotra tamina fangalaran’entana mpandeha iray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly. Nanao fitarainana teo anivon’ny zandary ao Ivato ny mpandeha […]
Taratra
Airtel « Quizz Mlay »: fialamboly no fahalalana ankapobeny
Ny 30 janoary 2023, olona telo nambara nahazo loka tamin’ny « Quiz Mlay ». Lalao nampanaovin’ny Airtel ny 13 novambra hatramin’ny 22 desambra 2022. Raholivololona Andriatsilaizina, Saholy Rasoharimalala sy Rakotoarisoa Andrianiriana nahazo izany loka izany natolotra teny amin’ny foiben’ny Airtel Ivandry natrehan’ny mpitsara lalao. « Fanohanana sy fanajana ny mpanjifa izao loka […]
Fampandrosoana: mbola vitsy ny mampiasa nomerika (digitalisation)
Malaza eran-tany izao ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny fampiasana ny nomerika. Ny Ligue arabe ohatra, manao tolotra maro momba izany. Fantatra izany avy amin’ireo tolotra nataony tamin’ny fivoriana tany Dubaï tamin’ny herin-taona. Nandray anjara tamin’izany i Madagasikara amin’ny fidirana ny fampiasana nomerika (digitale) ho fanovàna ny fampandehanana ny toekarena. Nampahalalana […]
Lavanila – Varotra ivelany : fitsirihana ny kalitao sy ny fenitra takina
Miara-miasa amin’ny fadintseranana ny ekipan’ny Sampandraharaha misahana ny kalitao sy fepetra momba ny vokatra (SQC)* eo anivon’ny minisitera misahana ny varotra (MICC) amin’ny fitsirahana ny lavanila sy ireo vokatra hafa mialohan’ny fandefasana ireo vokatra any ivelany. Tafiditra ao anatin’ny politika fanadiovana ny fanondranana izany fitsirahana izany, natao indrindra hanamarinana ny […]
Lalam-pirenena RN 6 sy RN 4: mitohy ny fanarenana ny fiviliana vonjimaika
Na efa miverina amin’ny laonina aza ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy ny RN4, tsy maintsy hamafisina ny fivilian-dalana vonjimaika napetraka. Indrindra, ahina ny hisian’ny rivodoza manaraka indray. Araka ny efa notaterina teto, azo andehanan’ny fiara rehetra, isan’izany ny kamio, ny fivilian-dalana sy ny tetezana vonjimaika any amin’ny lalam-pirenena […]





