Nirefodrefotra ny basy, lavon’ny zandary ireo roa lahy nikasa hanao fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Fiadanana, kaominina Androvakely, distrikan’Anjozorobe, afakomaly. Nitondra basy niampy zava-maranitra toy ny antsy sy famaky izy mirahalahy ireto. Taorian’ny nametrahan’ireto mpaka an-keriny ireto ny taratasy fampihorohoroana ireo mponina tao amin’io kaominina io, niditra an-tsehatra ny mpitandro […]
Taratra
Vono olona Imerinkasinina: polisy ny efatra tamin’ireo 12 voasambotra
Nahatratra 12 ireo olona voasambotry ny zandarimaria momba ilay vono olona mahatsiravina teny Imerinkasinina. Polisy am-perinasa ny efatra ary kaomisera ny iray. Nahatratra 12 ireo olona voasambotry ny zandarimariam-pirenena tamin’ilay famonoana mpirakidraharaha sy mpamory hetra teny Imerinkasinina, ny herinandro teo. Voatondro ho tompon’antoka mivantana sy ankolaka ary niray tendro tamin’izany […]
Akon’ny Mondial 2022
Maratra i Enner Valencia Taorian’ny lalao tamin’ny alahady, nihaonan’i Ekoatera sy Qatar, fantatra fa naratra sahady i Enner Valencia, lohalaharana ekoatorianina. Io ny vaovao hita tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny ekipa. Ny ratra teo anivon’ny feny sy ny tongony nahazo azy. Nanome toky i Gustavo Alfaro, mpanazatra fa tsy maintsy hijoro izy, […]
Vondrona D: hifampitana i Frantsa sy i Aostralia
Maivana ny mpifanandrina hifandona amin’i Frantsa, amin’ny lalao voalohany hataony, anio amin’ny 10 ora alina, amin’ny « Mondial 2022 », raha ny resaka mandeha eny an-dalambe eny. Boribory anefa ny baolina ka tsy mbola afaka ny hiteny izay ho mpandresy ny rehetra. Maromaro rahateo ireo mpilalao kalaza ao amin’ny ekipan’ny Les Bleus […]
Sokajy «A»: nitolefika teo anatrehan’i Pays Bas i Senegal
Lavon’ny Oranjes Pays Bas, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0 ny Lionan’i Senegal, teo amin’ny andro voalohany ho an’ny vondrona “A”. Efa tany amin’ny 6 mn farany vao nahazo fandresena ny Hollandais. Tsy afa-nitrena fa nilofika teo anatrehan’i Pays-Bas, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Lionan’i Teranga avy […]




