Taratra

Antsirabe: hanao ny asan’ny mpamonjy voina ny “5UPC”

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny “35° Unité de Protection Civile” na ny “5UPC » ao Antsirabe ny 30 janoary teo. Notanterahina niaraka tamin’izany koa, ny lanonana fandraisana fibaikoana ho an’ny Ko­mandin’ity holafy vaovao ity, ny Kapiteny Raharimanitra Sitraka. Nisitraka fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka Frantsay ny tananàn’Antsirabe ka nahafahana nanangana ny 5UPC. […]

Fifindran-dRakol ao Mouloudia : neken’ny CFFA ny fandehanany any Algerie

Notanterahina ny alatsinainy lasa teo ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Moulou­dia Alger sy ny CFFA, ny amin’ny fifindran-toeran-dRazafindranaivo Koloina, hilalao any Algerie. Miten­tina 50.000 Euros na 232 tapitrisa Ar ny teti-bidin’ izao fandehanan’ity mpilalaon’ny CFFA Andohara­nofotsy ity izao, hilalao ao Mouloudia mandritra ny 3 taona sy tapany. Nambaran-dRakotoarimanana Henin­tsoa (Tôta), ben’ny […]

NBA 2023 : misongadina i Doncic

Mamiratra tanteraka i Luka Doncic, mpilalao Basiketin’i Dallas, amin’ny fifaninanana basikety NBA 2023. Nandresy tamin’ny isa 111 no ho 105 an’i Detroit ny Dallas ny alatsinainy lasa teo. Lalao izay tafiditra amin’ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ny kaonferansy andrefana na “Conference Ouest” ny NBA 2023, any Etazonia. […]