Vokatry ny andro ratsy nisesy nandritra ny roa herinandro teo, izay niteraka fahatapahan’ny fianarana teto an-dRenivohitra, maromaro ireo sekoly nanapa-kevitra ny hanenjika ny fahabangana ka hamerina an-tsekoly ny mpianatra ny alarobia hariva sy ny asabotsy amin’ity herinandro ity. Omaly, nampahafantatra ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ireo sekoly ireo ny […]
Taratra
Fandaharam-pianarana vaovao: nanaovana andrana teny amin’ny sekoly 192
Nanomboka tamin’ny taom-pianarana 2021-2022, nampiditra fandaharam-pianarana vaovao ho an’ny kilasy T1, T2, T4, T5, T7, ary T8 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tafiditra anatin’ny tetikasa fanohanana ny fampianarana ambaratonga fototra (PAEB),izany. Nampiharina tamin’ny sekolim-panjakana sy sekoly miahy tena 192 ny fandaharam-pianarana ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto amintsika. Tsy nisy mihitsy ny […]
Lycée Fenoarivo Atsinanana: mpianatra telo vavy safotra tany an-dakilasy
Mahalasa saina hatrany ny trangana fahatoranana mpianatra an-tsekoly, mateti-piseho saika amin’ny toeram-pianarana maro eto amin’ny Nosy. Ny herinandro lasa teo, mpianatra tao amin’ny Lycée Fenoarivo Atsinanana no safotra na koa nitrangana fahatoranana sy mihinjitrindritra nandritra ny fotoam-pianarana tao an-dakilasy. Tamin’ny 8 ora sy 50 minitra maraina no nihetsehan’ny aretina ho […]
Eran-tany
Hita aty Afrika amina firenena maro ny fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra ny sakafo sy ny solika. Tafahoatra amin’ny nikajiana azy izany, tsy araka ny navoakan’ny Banky foibe maro aty Afrika. Voadonan’io fiakaran’ny vidim-piainana io ny mponina maro, indrindra amin’ny sakafo izay andaniana mihoatra ny 50 % amin’ny vola azo. Tsy tafavoaka […]
“ Manampy ny fadintseranana ny GasyNet …”
Iray amin’ireo mpiara-miasa amin’ny fadintseranana ny GasyNet, anisan’ny asany amin’izany ny fitsirihina amin’ny «scanner» ireo entana tonga na alefa, araka ny toromariky ny Fiombonamben’ny fadintseranana eran-tany (OMD). Fandalovan’entana eo amin’ny «scanner», fomba iray fanaraha-maso ireo entana raha mifanaraka amin’ny fanambarana natao. Tsy fandaniam-potoana koa ny fampiasana izany ankehitriny, tafiditra ho […]





