Taratra

Ankazomiriotra : nidoboka am-ponja ilay tovolahy nanolana zaza 10 taona

Naiditra am-ponja vonjimaika ny tovolahy mpanampy tao an-trano nanolana ny zanaky ny mampiasa azy tao Ankazomiriotra, distrikan’i Betafo, afakomaly. Naharay fitarainana tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza ny eo anivon’ny zandary ka nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny alakamisy alina. Niharan’ny fanolanana ny zazavavy 10 taona, izay nohamarinin’ny mpitsabo taorian’ny fizahana izany. […]

Nitazona basy: lehilahy iray voasambotra

Tra-tehaky ny zandary tao an-tranony ny lehilahy iray nihazona basy tsy ara-dalàna niaraka tamin’ny bala mahery vaika tao amin’ny tanànan’ An­jazavao, fokontany Mia­rina, kaominina Ilaka Centre, distrikan’Ambositra om­a­ly. Naharay antso tamina tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa misy olona mitana basy sy entana halatra ao amin’io tanàna io. Nanao fisavana […]

Mahabo : andian-dahalo 30 isa nanafika tanàna

Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Ampanihy, distrika Mahabo, omaly. Nanafika tao an-toerana ny andian-dahalo 30 isa nirongo basy, tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany maraina. Voaroba ny omby 40 isa-n’ireo tompon-tanàna. Tsy vitan’izay fa mbola nitondra takalon’aina miisa telo noentiny nandositra ihany koa ireo malaso. Saingy […]

Chan 2023 : nomen’ny federasiona 30 000 000 Ar ny Barea

Notolorana volabe mitentina 30 000 000 Ar avy amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny ekipan’ny Barea de Madagascar, omaly. Mba ho fankasitrahana ny vokatra tsara azon’ny Barea nanoloana an’i Gha­na izany. Lavon’izy ireo ta­min’ny isa 2 no ho 1 ny Black Galaxies, ny alahady lasa teo, ta­min’ny fifaninanana Chan 2023. […]

Federasiona Karate-Do : “Tsy ara- dalàna ny fifidianana tany Toliara”, hoy i Emile R

“Tsy manankery ny nahalany an’Andriamatoa Randriana­so­lo­niaiko Siteny ho filohan’ny Komity olympika malagasy (KOM) indray”, hoy Ratefina­na­hary Emile, filohan’ny federasiona karate-do malagasy. Nisy ny fanazavana izay nataony, tamin’ireo mpanao gazety mahakasika io fanambarana nataony io, teny Antaninareni­na, omaly. “Taitra sy tohina tanteraka izahay nahita an’Andriamatoa Manitra, izay mitondra ny anaran’ny filohan’ny […]