Taratra

Volley-CCCZone 7 : handray anjara ny Bi’As

Hotanterahina ny 23 febroary hatramin’ny 5 marsa 2023 izao any Maorisy, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7 (CCC Zone 7), ta­ranja Volley-ball. Vonona ny solontena malagasy, izay ahitana ekipa 4 (3 vehivavy ary 1 lehilahy), rehefa neken’ny Kaonfederasiona afrikanina ny fandraisan’anjaran’ny Bi’As. Araka izany, ny Stef’Auto […]

Rugby vehivavy – «Can 2023» : mpilalao 42 hiatrika fampivondronana

Hiditra amin’ny fanomanantena, hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka (Can 2023), taranja rugby lalaovina olona 15 ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy. Mpilalao 42 mirahavavy no hiatrika ny fampivondronana, manomboka ny asabotsy 21 ja­noary ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Saika mbo­la voatazona ao anatin’ireo nantsoin’ny mpanazatra, […]

Teny fampianarana teny Antsonjombe: nankasitraka ny asa fitoriana i Papa Solo

Hevitra hafa tsy itoviany amin’ireo namany ? Anisan’ ireo voasa ka nanatrika ny fo­toam-bavaky ny FJKM natao teny Antsonjombe afak’omaly lasa teo, ny depiote sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Rasolonjatovo Honoré na i “Papa Solo”. Nambarany fa fitaovana lehibe ahazahoana miady amin’ny fiainana andavanandro, ny olana eo amin’ny fiainam-pirenena ary […]

Fotodrafitrasa iarahana amin’ny Orange : nisitraka sekoly nomerika ny any Ambatomanjaka

Anisan’ireo nisitraka fotodrafitrasa avy amin’ny Fon­dation Orange ny any Amba­tomanjaka, any Itasy. Efa tafiditra amin’ny antsoina hoe “Village Orange” rahateo ny any an-toerana, nanomboka ny taona 2014. Anisan’izany ny tobim-pahasalamana CSB II natokana ho an’ireo antsoina hoe “Maman Kangourou”. Notokanana, omaly izany fotodrafitrasa izany. Niatrika izany tany an-toerana ny filohan’ny […]