Taratra

Vaninandron’ny fety: Mamely ny fivalanana sy ny aretina vokatry ny fimamoana

Aretina mateti-piseho amin’ izao fety izao ny aretin-kibo azo avy amin’ny sakafo. «Mivalana sy mandoa ny ankamaroan’ny olona voan’izany ary betsaka voa ny ankizy», hoy ny mpi­tsabo, Dr Rakotonindriana Norbert. Miova amin’ny mahazatra ny sakafo rehefa fety ka tampohiny ny vavony sy ny tsinay, antony mahatonga izany. Ankoatra izay, mety […]

Oniversiten’i Fianarantsoa: Nametraka ny fam­­pia­narana ampitain-davitra

Nanamarika ny taona 2024 ho an’ny Onivesiten’i Fianarantsoa ny fisantarana ny fampianarana ampitain-davitra (Foad) tanterahina eo anivon’ny fakiolten’ny Siansa ary tohanan’ny Agence universitaire de la francophonie (AUF). Mahakasika lalam-piofanana roa ny tetikasa Foad, ny Master en Gestion intégrée des ressources en eau (Gire) sy ny Licence professionnelle en exploitation des […]

Fitantanana ny loza ara-tontolo iainana: Hiara-kiasa ny BNGRC sy ny ONE ary ny SMA

Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny BNGRC sy ny Ofisy nasionaly misahana ny tontolo iainana (ONE) ary ny Orinasa monisipaly miandraikitra ny fanadiovana (SMA), omaly, teny amin’ny birao foiben’ny BNGRC Antanimora. Tanjona ny hanatsarana ny fizarana angon-drakitra eo amin’izy ireo, hampitomboana ny fifanakalozana vaovao momba ny tontolo iainana, izay tena zava-dehibe […]

INDRAY MIJERY

Rehefa mitondra vohoka ny vehivavy iray, mandritra ny fisafoana voalohany tanterahiny eny amin’ny tobim-paha­salamana, no hanaovana ny vaksiny hiarovana ny zaza vao teraka amin’ny tetanosy. Vaksiny dimy no atao, mielanelana, ary miaro mandritra ny 35 taona. Maimaimpoana ny fisitrahana izany eny amin’ny tobim-pahasalamana. Mety hite­raka fahafatesan’ny zaza vao teraka ny […]

Future for Children Madagascar – Overcome Women Madagascar: Hanohana ny ankizy sy ny zon’ny vehivavy

Fikambanana iraisam-pirenena roa no hiasa eto Madagasikara ho fampivoa­rana ny lafiny sosialy. Noraisin’ ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Auré­lie, teny amin’ny toeram-piasany, ny mpiandraikitra ny Future for Children Madagas­car sy ny Overcome Women Madagascar. Hiara-hiasa ho fikarakarana ny olona marefo ny fikambanana sy ny mini­sitera. Misehatra manokana […]