Taratra

Marovoay : tompon’omby maty voatifitry ny dahalo

Nandritra ny sakoroka tamin’ireo dahalo nangalatr’ omby, lavon’ny bala ny iray amin’ny ireo lasibatra tao Andohanantetikala, kaominina Ankaboka, distrikan’i Ma­rovoay ny zoma lasa teo. Nangalatra omby niisa fito tao amin’io fokontany io ireo olon-dratsy,nanapoaka Basy ary nirifatra nandositra niaraka tamin’ireo biby. Naratra mafy vokatr’io ilay tompon’ omby ka noezahin’ny manodidina […]

Vono olona tany Antsohihy : mipetraka ny ahiahin’ ny fianakaviana

Tsy mbola fantatra hatreto ny tompon’antoka tamin’ny raharaha nahafatesana olona tao Ambendrana‚ fokontany Ankiririky‚ kaominina Ambo­nivohitra Antsohihy, ny 20 novambra teo . Efa nipetraka kosa ny fitoriana olon-tsy fantatra “Plainte contre X”, nataon’ny havan’ny maty. Miahiahy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny faritra Sofia koa anefa izy ireo, araka ny nambaran’ny […]

Ambatofinandrahana: kariera bodoina olom-boafidy tsy manara-dalàna

Mihenjan-droa ny tady, eo amin’ny olom-boafidy iray ao Belo sur Tsiribihina sy ireo mpitandraka vatosoa ao amin’ny fokontany Fenoarivo kaominina Ambalamahatsara, distrikan’Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania. Nahazoan’ny olon-tsotra miisa telo alalana hiasa, hanara-maso ny faritra ao amin’ny karieram-bato «spodumène sy triphane» araka ny fahazoan-dalana PRE laharana « 3273 » io toerana […]

Ady amin’ny kolikoly : nankalazaina ny Andro iraisam-pirenenana

Anisan’ny hetsika tafiditra anatin’ny velirano faha­telo napetrak’Andriamatoa Rajoe­lina Andry, Filohan’ny Re­poblikan’i Madagasikara, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly. Ton­ga ni­tarika ny fankalazana ny faha 20 taonan’izany hetsika izany, i Mahatante Pau­bert, minisitry ny Jono sy ny Toe-karena manga (MPEB),teny Ampan­dri­nom­by, omaly. To­ga na­natrika izany koa ny mpanolon-tsaina […]

Tsy fahampian’ isa : misahana 28.000 ha ny teknisianin’ala iray

Tsy mahasahana ny ve­laran-tany rakotra ala raha ny isan’ny teknisianina eo amin’io sehatr’io ho an’i Mada­gasikara. Mian­draiki­tra velaran’ala 28.000 Ha ny teknisianina iray raha toa ka tokony 250 Ha izany. “Misy ireo toerana izay sarotra tantanina noho io tsy fahampian’ny isa io”, hoy ny mpandrindra na­sionaly eo anivon’ny Mi­nis­­teran’ny tontolo […]