Taratra

Fanenjehana ireo mpitondra teo aloha: vonona haka fanapahan-kevitra ireo depiote

Tapa-kevitra tanteraka. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana eny anivon’ny Antenimierampirenena ny momba ny fanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha. Hanao tatitra amin’ny depiote ny vaomiera miandraikitra ny fa­nen­jehana ireo tsimatimanota eo anivon’ny Fitsarana avo (HCJ) eny Tsimbazaza, ny alakamisy 15 desambra izao. Tapaka tamin’ny fivorian’ireo depiote ny herinandro teo izany. […]

Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly : mametraka ny mangarahara amin’ny fomba fiasa ny CUA

Natao ny sabotsy 10 de­sam­b­ra teo tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, ny fa­namarihana ny fankalazana ny « Andro iraisam-pirerenena amin’ny ady amin’ny kolikoly ». Lohahevitra novoizina tamin’izany ny : « Aiza ny ady amin’ny fitantanana ny tanànantsika ? ». Nitarika ny fa­me­lam­belaran-kevitra tamin’izany ny ben’ny Tanànan’ Anta­nanarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina […]

Politika zary fanakorontanana sy fandravana

Kisendrasendra na tongatonga ho azy tamin’izao ve ny tran­gan-javatra nampisavorovoro teny amin’ny Antenimi­eram­pirenena? Nanomboka tamin’ny fampiantsoana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, nandalo tamin’ny fifana­zavana nikato-trano, niafara tamin’ny firehidrehitry ny so­lombavambahoaka sasany hiroso tamin’ny fanangonan-tsonia hahazoana manao fitsipa­ham-pitokisana… Iza no nanao inona tamin’izany? Na […]

Hanatitra « versement »: lasan’ny jiolahy ny vola 140 tapitrisa Ar

Norobain’ny jiolahy ny vola iray sakaosy, rehefa avy nifampisintomana teny ambony posy, ny zoma lasa teo. Tsy nisaron-tava sy nanapoaka basy ireo olon-dratsy. Nirongo fitaovam-piadiana, tsy tahotra tsy henatra, napoakan’ireo jiolahy roalahy teo afovoan’arabe tao Ambolomadi­ni­ka tao Ambolomadinika anoloan’ny biraon’ny Sekri­ma, Toamasina basy ka lasany ny vola tamina sakaosy teny […]

Karieran’i Sahantona : raikitra ny fandravana fananana

Niteraka resabe ny raharaha karieran’i Sahantona ao amin’ny distrika Mandritsara ny faran’ny herinandro teo. Saika hakaton’ny fokonolona ity kariera ity saingy tsy nanaiky izany ny mpitandro filaminana ka niteraka korontana izany, hoy ny loharanom-baovao iray. Nambarany fa miditra an-keriny ao an-tanàn’olona ny foko antandroy ka mifaoka izay hitany rehetra sy […]