Manao atrikasa eto Antananarivo, omaly sy anio, ireo telo mpiara-miombo’antoka : Fofifa-Cirad-Oniversite Antananarivo, manao tomban’ezaka amin’izay vita sy valim-pikarohana vaovao haroso ato anatin’ny dimy taona manaraka (2023-2027). Efa 20 taona mahery no miara-miasa ny telo tonta (DPFB)*, ka tonga eo amin’ny dingana famaranana izao, hanaovana tomban’ezaka isaky dimy taona sy […]
Taratra
Lalana RN 1Bis : amboarin’ ny Madagascar Oil ny tena ratsy
Nanomboka nivarotra solika menaka mavesatra any amin’ireo orinasa vaventy ny Vakinankaratra ny Madagascar Oil S.A (Mosa), nanomboka ny volana aogositra 2022 teo. Mba tsy hampiato ny famatsiana ataony, miroso amin’ny fanarenana ny tena ratsy amin’ny lalam-pirenena RN 1Bis ity orinasa ity, mampitohy an’i Tsimororo sy Tsiroanomandidy amin’izao fotoana firotsahan’ny orana […]
Tetikasa Ambatovy: nahazo ny « Label malagasy ny antsika »
Folo taona izao no namokatra nikela sy kobalta ny tetikasa Ambatovy. Namorona asa hatrany amin’ny 12 000 sy tombontsoa maro teto Madagasikara. Vokany, Sendikan’ny indostria eto Madagasikara, Sim, ny mari-pamantarana, “Label malagasy ny antsika” izy. Feno 10 taona amin’ity taona 2022 ity ny namokaran’ny orinasa tetikasa Ambatovy nikela sy kobalta […]
FID sy polisim-pirenena : arovana ny mpiasa manatanteraka ny fiahiana sosialy
Zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasan’ny fanjakana malagasy sahanin’ny Fonds d’intervention pour le développement (Fid) sy ny minisitera. Anisan’ ny voakasika amin’izany ny fandriampahalemana mialoha, mandritra sy aorian’ny asa atao eny ifotony. Misy ny tetikasa momba ny fiahiana ara-tsosialy atao any ambanivohitra sy eny amin’ny tanàn-dehibe manerana ny Nosy ka sedra […]
CUA-Iscam : Kilasy 44 hianatra teny frantsay maimaim-poana
Natomboka, omaly, tetsy amin’ny sekoly ambaratonga fototra Ankadifotsy II ny tetikasa fisantarana ny fampianarana teny frantsay maimaim-poana, ivelan’ny ora fianarana. Natao ho an’ny kilasy fahadimy eny amin’ny EPP eto anivon’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izany. Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny oniversite tsy miankina Iscam. Nosafidiana manokana ny teny frantsay […]




