Mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny faritra atsimo andrefana. Tovolahy iray no hita faty tamin’ny fomba feno habibiana tao Antanimeva, distrikan’i Morombe, afakomaly. Notapahin-doha izy ary noentin’ireo jiolahy nanaraka azy izany, hoy ny loharanom-baovao iray. Ankona ny rehetra raha nahita ity habibibana mahatsiravina ity. Niteraka resa-be teo […]
Taratra
Noloarana ny kibony: ankizivavikely 10 taona sady naolana no novonoina
Ankizivavikely vao 10 taona monja no maty tamin’ny fomba feno habibiana tao Andranoboaky, distrik’Ambohimahasoa, afakomaly. Sady naolana no novonoina izy. Habibiana mahatsiravina ny natao an’ity ankizivavikely vao 10 taona monja tao Andranoboaky, fokontany Andohanisahatona, distrikan’Ambohimahasoa, faritra Matsiatra ambony ity. Naolana izy no mbola novonoina ihany koa. Afakomaly antoandro, nirahin’ny reniny […]
Les Bleus-n’i Frantsa: tsy afaka milalao i Benzema
Maratra ka tsy afaka hanao ny fifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompodaka eran-tany atao any Qatar, i Karim Benzema (KB9), mpilalaon’ny Les Bleus-n’i Frantsa. Izy tenany mihintsy no nambara io vaovao io, tao anaty tambanjotra serasera, ny asabotsy lasa teo. Ratra teo anivon’ny feny, nahatonga izao olana izao, rehefa nanao […]
Lanonam-panokafana: nakotroka sady nampiaiky izao tontolo izao seho
Namirapiratry ny jiro maroloko ny kianja Al-Bayt tao Al Khor, omaly, nandritra ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2022”, taranja baolina kitra. Ankoatra izay, mitovy lenta amin’ny lalao Olympika ny zava-nisy. Nakotroka ary tena nampiaiky izao tontolo izao ny seho rehetra. Anisan’ireny ny dihy sy ny fihetsika […]
Vondrona «A»: nalain’i Ekoatera baraka ny Katarianina
Nanao be fiavy ny Ekoatera, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra «Mondial 2022». Fihaonana tanterahina any Qatar. Nomontsanin-dry zareo ny Katarianina, mpampiantrano. Avy hatrany dia nakan’ny La Banana Mecanica-n’i Ekoatera, isa 3 ny Katarianina, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny […]




