Andro maneran-tany ho an’ny Radio, ankalazaina isan-taona, omaly. Fitaovam-pifandraisana mbola be mpihaino ny Radio eto Madagasikara. Satria, izy no mitondra loharanom-baovao ho an’ny 80% amin’ny Malagasy amin’ny tanàn-dehibe sy ambanivohitra, araka ny fanazavana nomen’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra, omaly, nandritra ny fanamarihana ny hetsika teny […]
Taratra
Herisetra, fitoriana… : Mpanao gazety sivy nitaraina
Nanao tatitra ny vokatry ny asan’ny sampana mpiaro ny mpanao gazety eto Madagasikara ny ONG Ilontsera, tamin’ity herinandro ity. Fantatra, tamin’izany, fa mpanao gazety 9 no nanao fitarainana ho voahitsakitsaka ny zony amin’ny maha mpanao gazety azy, na niharan’ny herisetra na voampanga noho ny asany. Ny 3 tamin’ireo no noraisina […]
Cyber Island – vehivavy mpanao gazety : Niofana momba ny fampiasana internet
Nosafidin’ny orinasa Yas manokana ny vehivavy mikirakira antontan-baovao hamelabelarana ny fampiasana ny internet manaraka ny fenitra. Satria, efa mandeha amin’ny tambajotran-tserasera ny vaovao amin’izao fotoana izao. Manana tetikasa maro mitodika amin’ny vehivavy koa ny orinasa. Nikarakara atrikasa niarahana tamin’ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara, omaly, teny Andraharo, ny orinasam-pifandraisana […]
TARATRY ny KANTO
“Firaisana voalohany”, iarahana amin-dRalanto, Mami Bastah ary Ankoay. Ao amin’ny Valahara Café Antsirabe no hanatontosana ity fiarahana miavaka amin’ ny rehetra ity. Samy hitondra ny mozikany i Mamy Bastah sy Ralanto, izay vazo mifototra amin’ny tendry gitara sy ny vokatry ny tany avokoa. Hohaingoin’i Ankoay amin’ ireo tononkalo mafonja tonony, […]
Teny sadasada: Misy « Reny » mpamahan-dalitra
Hanamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » i Madagasikara ny 21 febroary izao. Tsy afa-miala amin’ny nahatonga ny Malagasy hanao tsinontsinona sy tsy manome hasina ny teny malagasy tahaka izao ny reny. Nahoana moa no ho tia ny teniny ny zanaka malagasy? Vao any am-bohoka dia efa hamolavolana anaram-bahiny handraisana […]