Taratra

Harena voajanahary: mitaky fandraisana fepetra haingana ny fiarahamonim-pirenena

Manaitra ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny HCC, ny Antenimierampirenena, ny Primatiora ary ireo minisitera maro ny Fiombonan’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny tontolo iainana OSCEC. Ho azy ireo, mila fandraisana fepetra haingana ny fitsinjovana ny harena voajanahary. Nandefa taratasy misokatra indray omaly 7 septambra, ho an’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny […]

Fantina sy fintina

Notendren’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, tamin’ny didim-pitondrana tamin’ny 31 aogositra lasa teo, ho filohan’ny Delegesiona manokana (PDS) ao amin’ny kaomina ambonivohitr’i Toliara, Faritra Atsimo Andrefana, Razaha Tondraha. Voatendry ho lefitra voalohany kosa Randrianan­drasana Veloson Grégoire ary lefitra faharoa i Serge Vital. Tokony hiaraka amin’ny fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana ataon’ny […]

Mankany amin’ny lala-mahitsy

Hifarana anio ny dinika politika eny an-dapa. Mivoitra amin’ny ady hevitra ny lalam-pifidianana aloha vao latsa-bato. Tsy marisika amin’ny fifidianana ny mpiantsehatra fa mitady ny fomba hisian’ny kianja madio. Samy vonona tsy misy tahotra ny rehetra fa miahiahy fotsiny sao misy ny ankamely sy ady ampitaka. Ny mpilalao efa vonona. […]

Raharaham-bahiny: diniky ny samy Malagasy ny fanavaozana ny diplaomasia

Tsy mijanona ho mpijery fotsiny i Madagasikara manoloana ireo fiovana maneran-tany amin’izao, araka ny ka­barin’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, i Alice N’Diaye, nanomboka ny fihaonambe nasionaly momba ny diplaomasia karakarain’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, teny Anosy, omaly. Fiovana miavaka amin’ny fifandanjana ara-jeopolitika izany. Eo koa ny fitomboan’ny fanamby eo amin’ny lafiny toetr’andro, angovo […]

Mandritsara: nifindra ao amin’ny VFM ny TGV, ny Irmar ary ny Upar

Nanambara ampahibemaso ny fifindrany ao amin’ny VFM (Vovonan’ny Fihavaozana an’i Madagasikara) ny Solombavambahoaka roa ao amin’ny distrikan’i Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Rava tanteraka ny biraon’ny TGV sy Irmar ary Upar. Io no nivoitra nandritra ny fihaonana nataon’izy ireo tao amin’ny Kianja monisipaly ao Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra […]