Taratra

Tselatra

Raim-pianakaviana iray nendahin’ny valo lahy teny Andranomanalina, ny alahady hariva teo. Avy nijery baolina izy ary notsenain’ny andian-dehilahy maro rehefa teny an-dalana hamonjy fodiana. Nambanan’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy izy saingy tafala. Voan’ny antsy teo amin’ny tarehiny sy ny faritry ny tendany, noho izany. Lasan’ireo olon-dratsy ny finday teny aminy. Olona […]

Vehivavy maty teny Tanjombato: voasambotra ilay lehilahy nanendaka azy

Miatrika fanadihadiana eny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy ny olona roa, lehilahy sy vehivavy. Tompon’antoka tamin’ny asa fanendahana sy harom-paosy teny Andohavato Tanjombato izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, fantatra fa tompon’antoka tamin’ny fanendahana ilay tovovavy hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa, teny amin’ny tetezam-bato, Tanjombato, […]

Olona telo norobain’ny dahalo: lehilahy voakapa famaky, voaroba ny 2 tapitrisa Ar

Nosakanan’ny dahalo miisa efatra mitondra fitaovam-piadiana, naratra mafy voakapa famaky teo amin’ny lohany sy ny tanany, ny lehilahy iray, ny alahady 6 septambra, tamin’ny 9 ora maraina. Moto miisa roa notaingenan’ny olona telo nosakanan’ny olon-dratsy tao amin’ny lalana mihazo an’Analakonjy, kaominina Andranomena, distrika Port Bergé. Nahare kiririoka tampoka ireo mpitondra […]

Miantso vonjy ny fianakaviana: 250 tapitrisa Ariary levon’ny afo

Nitrangana haintrano goavana teny Soamanandrariny, ny alahady maraina teo. Levon’ny afo nandritra izany ny 250 tapitrisa Ar. Miantso vonjy ny fianakaviana lasibatra. «Folo taona nivadiana, nanomboka nanangona tsikelikely ary nihary ireo fananana ireo izahay mivady», hoy Rafinaritra, raim-pianakaviana tompon’ny trano lasibatry ny afo tao Soamanandrariny, ny alahady lasa teo. Namonjy […]

Fitaterana an-dranomamy: halalinina 2 m ny lakandranon’i Pangalana

Ela ny ela! Manomboka ny asa fanadiovana manontolo ny lakandranon’i Pangalana. Mirefy 637 km ity lakandrano ity, mampitohy an’i Toamasina, mandalo Vatomandry, Mahanoro, Mananjary, mipaka any Farafangana. Tanjona ny hahazakan’ny lakandrano sambo hatramin’ny 60 taonina. Manantanteraka ny asa ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), miaraka amin’ny Antokondraharaha […]