Taratra

Fanaovan-tsonia Santatra : Miara-miasa i Madagasikara sy ny Emirats-Arabo Mitambatra

Notanterahina omaly, tany Dubai, ny fanaovan-tsonia santatra. Fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana roa tonta. Antsoina hoe Accord de partenariat économique global na Comprehensive Economic Partnership Agreement (CEPA) izany fifanarahana izany. Nisolo tena ny fanjakana malagasy, tamin’izany, ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, misolo toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina nanomboka ny alatsinainy teo, tany Kameronina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Badminton. Anio kosa Ramanana Rahary Lalaina, Malagasy mpilaravinahitra, any France, no hiaka-tsehatra. Tanjony ny hibata medaly iray mandritra ity fifanintsanana ity. Tafakatra amin’ny laharana faha-38 maneran-tany, eo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg, Seniors ny judokas malagasy, […]

Trail Ibity andiany fahasivy : Hanampiana ireo zaza tsy ampy sakafo ao Antsirabe

Hotanterahina ny alahady 6 avrily ho avy izao, ny andiany fahasivy amin’ny Trail Ibity. Any amin’ny faritra Vakinan­karatra no hanatontosana izany. Ankoatra ny maha fifaninanana ara-panatanjahantena azy, tanjona ny hanangonam-bola hanampiana ireo zaza tsy ampy sakafo mahery vaika, beazin’ny trano fananjariana ara-tsakafo ao Ibity. Tsy hazakazaka fotsiny ny Trail Ibity, […]

Afrobasket 2025 : Ho avy ny 18 febroary i Mathias M’Madi

Efa manomboka tonga tsikelikely eto Madagasikara ireo mpilalao basikety milaravinahitra any ivelany, hiatrika ny dingana faran’ny fifanintsanana “Afrobasket 2025”. Anisan’ny andrasan’ny maro ny fahatongavan’ny andrarezina, i Mathias M’Madi, mpilalao manana ny maha izy azy sy misongadina. Ny talata 18 febroary izao no higadona eto an-tanindrazana i Mathias M’Madi, araka ny […]

Kianja Barea Mahamasina: Haharitra hatramin’ny rahampitso ny fitsirihana hataon’ny Caf

Efa eto an-toerana ireo iraky ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf), hijery sy hanara-maso ny kianja Barea Mahamasina. Niasa avy hatrany izy ireo omaly, nitsidika ireo zavatra rehetra notakin’ny Caf. Tonga nitsidika sy nanara-maso ny fa­na­tsarana ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ny “Inspecteur” roa lahy avy amin’ny Caf, i Diabete Zakarihya, sy […]