Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro, teo amin’ny Parvis Analakely, ny hetsika kolontsaina an-tanàn-dehibe, “Urban Flow Festival”. Ho an’ny dihy an-tanàn-dehibe, “Urban Dance”, izay karakarain’ny Bboy Bgirl Malagasy (BBM), azo lazaina fa nahomby ny hetsika. Maro ny ankizy tonga nandray anjara sy naneho ny talentany tamin’ izany, izay nahatratra 310 mahery teo. […]
Taratra
« Tamberina »: nifamaly fitia i Nono sy ny mpijery
Iray amin’ireo fampisehoana rindrankira an-tsehatra nanjakan’ny hafanana ny « Tamberina » tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Nifamaly fitia i Nono sy ireo mpijery tonga marobe. Araka ny lohateniny tokoa ny endrin-tseho notanterahina tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. « Tamberina », fotoana nisongadinan’ireo hira nahafantarana sy nampalaza an’i Nono. Nahitana ny fifamaliana fitia teo […]
Vaovao tambatra
Mahatratra 91,18 dolara ny vidin-tsolika 1 barila, (= 160 litatra) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena WTI, ny zoma 4 septambra teo. Tsy mitsaha-misondrotra indray ny vidiny, noho ny fiverenan’ny ady eo amin’ i Etazonia sy Iran miampy ireo firenena maromaro any Moyen Orient. Tamin’ny 23 jolay 2026 teo no nahatratra io […]
Fananganana fotodrafitrasa: hanohana i Kanada sy i Dubai
Natao sonia, androany, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny Antenimieran’ ny Varotra avy any Kanada sy Dubai. Fifanarahana mifantoka amin’ny fampandrosoana sy ny fanatsarana ny fotodafitrasa eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa sy manampahaizana avy any Kanada sy Dubai, ny fampitana fahaiza-manao, […]
Toamasina: ho foanana ny lalan-dratsy sy ny lavadavaka
Nanao fivoriana tsy ara-potoana ny Filankevitry ny tanàna Toamasina I, nanomboka ny 31 aogositra ary nifarana ny 2 septambra teo. Nankatoavina ny hanarenana ny lalan-dratsy rehetra ao an-tampon-tanàna. Anisan’ny lahadinika nivoriana ny hitadiavana famatsiambola hanamboarana ny lalana rehetra eto an-tampon-tanànan’i Toamasina. Tafiditra ao anatin’izany ny lalana « Venance Manifatra » mampifandray ny […]




