Tsy nisy tranga vaovao amin’ny valanaretina Mpox voatily ny sabotsy lasa teo, araka ny vaovao nomen’ny Cousp nasionaly. 3 589 ny tranga voamarina nanomboka ny 18 desambra 2025 hatramin’ny faran’ny herinandro teo. 2 865 ny sitrana ary 23 namoy ny aina ka ireo mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida no maro anisa […]
Taratra
Handball – Can Junior: indroa resy ny Akio Madagasikara
Faharesena indroa no azon’ny Akio Madagasikara, teo amin’ny andiany faha-33 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026), taranja handball sokajy “junior” lehilahy. Fihaonana tanterahina any Abidjan Côte d’Ivoire. Teo amin’ny andro voalohany natao ny sabotsy lasa teo, ho an’ny sokajy “B” lavon’i Angola tamin’ny isa 49 no ho 17 […]
Rugby – XXL Top 12: voahositra ho tompondaka ny Cosfa
Tontosa omaly, tetsy amin’ ny kianja Makis Andohatapenaka ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 12. Voahosotra ho tompondakam-pirenena ny Cosfa (Bebaoty) rehefa nandresy ny Uscar, tamin’ny mokafohy, 26 no ho 25. Niady tanteraka ny fihaonana satria nifanenjehana hatrany ny isa. Na izany aza, nitarika 8 […]
Fifanintsanana afrikanina: naharesy ny CFFA, resy ny FC Rouge
Tsara fiditra ny CFFA teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Ratsy fanombohana kosa ny FC Rouge, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny amboaran’ny kaonfederasiona. Vokatra, teo amin’ny fihaonana savaranonando mandroso avokoa ireo. Notanterahina ny sabotsy lasa teo, ireo lalao roa amin’ny fifanintsanana afrikanina, taranja baolina kitra ho an’ny ekipa tompondaka […]
Vovonana Tantana: misokatra amin’ny tanora mpitarika
Am-perinasa tanteraka ny vovonana Tantana ankehitriny, herinandro taorian’ny nijoroany tamin’ny fomba ofisialy. Sehatra iray ivondronan’ny tanora mpitarika sy ireo raiamandreny resy lahatra amin’ny fanohanana ny fanavaozana sy ny Kly Randrianirina Michaël izany. Misokatra amin’ny sokajy sy ankolafy samihafa izy. Mametraka ny fahavononana sy asa ho enti-mampandroso fa tsy mijanona amin’ny […]




