Jiolahy mpamaky trano voasambotry ny polisy niaraka tamin’ny entana halatra teny aminy tetsy Antohomadinika, ny 28 novambra lasa teo. Niditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray tamin’ny andro atoandro io olon-dratsy io. Nobatainy ny fahitalavitra lehibe iray. Hitan’ny fokonolona izany ka tratra ilay mpanao ratsy. Ramatoa iray mpivarotra anana hita faty tao […]
Taratra
Anjozorobe: Raikely voatondro ho nanolana ny zana-badiny
Nosamborin’ny zandary tao Ambatomanoina, distrikan’ Anjozorobe, ny lehilahy iray voarohirohy tamin’ny tranga fanolanana, afakomaly. Ankizivavy vao 14 taona monja nitaraina tamin’ny fianakaviana manodidina. Nanafina tamin’ny reniny io zaza io noho ny tahotra an’ilay raikely. Nitoroka tampoka teny anivon’ny zandarimaria anefa ny mpiray vodirindrina amin’io fianakaviana nitrangana fihetsika mamoafady io, nitatitra […]
Mpanakalo vola nisy namono: Olona dimy voasazy higadra mandra-pahafaty
Niakatra fitsarana, tetsy anivon’ny ady heloka bevava Anosy, efitrano fahadimy, ny raharaha famonoana raim-pianakaviana 59 taona, mpanakalo vola vahiny, tetsy Analakely, ny volana janoary 2025. Nahatratra 21 ireo olona voarohirohy tamin’io raharaha io. Olona dimy voasazy higadra mandra-pahafaty. Lehilahy iray hafa voasazy higadra 20 taona an-tranomaizina. Izay tsy tonga niatrika […]
Fiara nifaoka olona anaty fiampitana : Olon-dehibe roa maty, ankizy dimy naratra
Volana anisan’ny itrangana lozam-pifamoivoizana maro ny desambra. Tao anatin’ny 24 ora, lehilahy iray maty, ankizy dimy naratra. Tompon’antoka ny fiara nipoitra tampoka, nifaoka mpandeha an-tongotra anaty fiampitana. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana tra-doza teo Ankorondrano, omaly alina. Tompon’antoka tamin’izany ny fiara marika Starex iray nipoitra tampoka ka nifaoka mpandeha an-togotra […]
Rugby – “XXL Top 12”: Tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa ny USA
Nitohy ny alahady teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimy iadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby, “XXL Top 12”. Tsy mbola afa-bela tamin-dry (Cosfa) Bebaoty indray ry zareo USA (Ankady). Niondrika tamin’ny isa tery, 16 no ho 14. Niady hatramin’ny “gong” farany ny lalaon’ny roa tonta. Nitarika tamin’ny […]




