Taratra

Hanatanteraka drafitrasam-pirenena : Tafajoro ny fikambanana mise­hatra amin’ny fahasalaman’ny saina

Mifameno sy mifampiankina ny fahasalaman’ny vatana sy ny fahasalaman’ny saina eo amin’ny olombelona. Matetika tsy ifantohana loatra ny olana ara-tsaina raha tsy efa lasa lavitra. Misy ny fisorohana azo atao sy ny fikoloana izany. Tafajoro ny Vovonan’ny fikambanana misehatra amin’ny fahasalaman’ny saina sy ny fitsaboana ny saina (SMSPS), ivondronana fikambanana […]

FANTINA sy FINTINA

Misaona ny antoko Tim. Nodimandry, omaly, ny ben’ny Tanànan’Ankaraobato, Atsimondrano, Randriamiandrisoa Gilbert. Nitsapa alahelo teny an-toerana ny mpikambana sasany eo anivon’ny fikamban’ny ben’ny Tanàna manerana ny Nosy, tarihin’ny filohany, Rado Ramparaoelina. Nanao ny fianianany amin’ny maha filohan’ny « Forum parlementaire de la Sadc » azy tatsy Afrika Atsimo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randri­ana­soloniaiko […]

Depiote Ramilison Nomenjanahary: « Aoka tsy ho lany andro hifanaratsy isika »

Naneho ny heviny ary na­hitsy ny depioten’i Fara­tsiho, Ramilison Nomenjana­hary, manoloana ny raharaham-pirenena. «Tsy tokony ho lany andro hanaratsy ny hafa isika mpisehatra politika. Aoka hikatsaka ny fampandrosoana ny firenena », hoy izy. Nam­barany fa tsy fotoan’ny fifanaratsian’ny samy mpanao poli­tika na antoko politika izao. Tokony hapetraka ho laharam-pahamehana ny tombon­tsoam-bahoaka, […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy ilana ny HCJ ny fitsarana ireo nanao ny tsy mety”

Nitafa tamin’ny mpanao gazety vahiny ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël, afakomaly. Nitondrany fanazavana tamin’izany ny raharaham-pirenena. ”Omena ohatra ny va­hoaka malagasy fa tena atao ny ady amin’ny kolikoly. Nisy ny teny mita navoaka fa hotsaraina amin’ny fitsarana ambara­tonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ)”. Io ny […]

Miovaova ny sary!  

  Asa re rey olona na mizotra mankaiza ity fitantanana firenena ity? Raha olon-tsy mahay raha amin’ny politika sy ny kajikajy mifandraika amin’izany dia very. Nanaitra kely na tsy mahagaga aza ny filazana nataon’ny mpitondra fa tsy mbola tetezamita indray hoe isika ity. Mbola Repobli­kan’ny Fanavaozana izao. Mila fanazavana misimisy […]