Taratra

Baolina kitra U15- “Festival Ocean Indien” : Nanjakan’i Madagasikara tanteraka ny fifaninanana

Mbola misongadina aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny Malagasy, raha ny taranja baolina kitra no hifaninanana. Nahazo medaly volamena ny Barea de Madagascar, sokajy zandriny, lehilahy sy vehivavy. Nifarana omaly, teny amin’ny Kianja Elgeco Plus By-pass, ny andro farany fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja baolina kitra, sokajy zandriny U15, […]

Sombim-baovao

Notontosaina ny alakamisy sy zoma teo, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fivoriambe nasionaly nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nilaza ny lehibe an’ny FMF, Randriamanam­pisoa Alfred, fa hotolorana lelavola 3 hetsy Ariary, isaky ny telo volana avy ireo mpilalao fahiny mihoatra ny 60 taona, efa nandalo tao amin’ny ekipam-pirenena. […]

Rugby- XXL Top 12: tsy mbola misy mahatohitra ny Cosfa sy ny FTM

Notontosaina teny amin’ny Kianja Makis Andohata­pe­naka, ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja baolina lavalava “rugby”, XXL Top 12. Tsy nisy ny vokatra tsy ampoizina, mbola manjaka tanteraka amin’ ity fifanintsanana ity ireo klioba vaventy, toy ny Cosfa Miaramila sy ny FTM Man­jakaray. Raha ny voka-dalao azo teny an-toerana, […]

Nandresy an’i Eswatini: Efa any amin’ny «Chan 2025» ny tongotra ilan’ny Barea

Tsara fiiditra ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy misy mpilaravinahitra «Chan 2025 », taranja baolina kitra. Resiny teo amin’ny lalao mandroso i Eswatini. Fahombiazana ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar teo amin’ny lalao mandroso, hiadiana ny tapakila hiatrehana ny […]

TARATRY ny KANTO

“Mozika an-dalambe”. Hetsika natao hanandratana ny mozika, andaniny, fa indrindra ho fanasoavana ny mpiara-belona, ankilany, izy ity. Mpanakanto maro no nifandimby tetsy amin’ny Carrefour Ankorondrano, ny sabotsy teo. Mizara mozika sy manentana ny mpiara-belona hanome izay foy ho an’ireo sahirana eto an-tanàna izy ireo. Mbola hitohy amin’ny sabotsy 28 desambra […]