Migadra 10 taona, asa an-terivozona, ny Jly Ravalomanana Richard, araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly. Tsy afa-po ny voampanga, nampiakatra fitsarana ambony ny mpisolovava azy. Baomba be! Voasazy hiasa an-terivozona an-tranomaizina mandritra ny 10 taona ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard. Niakatra teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, […]
Taratra
Karazam-bary Besalohy: mety amin’ny faritra rehetra, mamokatra 6t/ha
Dingana lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny fambolem-bary eto Madagasikara ny famolavolana ny karazam-bary vaovao “Besalohy”. Vokatra azo avy amin’ny fiaraha-miasan’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra (Fofifa) sy ny Japan International Research Center for Agricultural Sciences (Jircas) izy io. Tsara kalitao sy miavaka amin’ny endriny ary ny fofony ny vokatra […]
Vono olona mahatsiravina: lehilahy roa hita faty nihoson-dra
Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana Rahajatiana Fenohasina, 29 taona sy Randriamahaleo Sitrakiniana, 27 taona, afakomaly alina. Hita faty tao Ambatobe, kaominina Betatao, distrikan’Anjozorobe izy ireo, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Nahita ny razana ny olona mpandalo, nampandre ny tomponandraikitra isan’ambaratongany. Nampandre ny zandary indray ny ben’ny Tanàna, taorian’izay. […]
Fandraharahana: hiara-hiasa ny UniPod sy ny MDE
Tanjona napetraky ny Pôle entrepreunariat– hub entrepreneurial 2026, andiany voalohany, ny hanovana ny hevitra sy vokatry ny fikarohana ho lasa orinasa sy harena ho an’i Madagasikara. Mifanaraka amin’ny vinan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, amin’ny alalan’ny UniPod, eo ambany fitantanan’ny Fitaleavan’ny fikarohana sy ny haivao izany. Mahatonga […]
Fiainam-piarahamonina: mahazo tsiny ny fanabeazana sy ny kolo saina
Vono olona atsy, fakana an-keriny aroa. Sorona? Fa misy inona?… Mikorontana ny fiainam-piarahamonin’ny Malagasy. Firenena voaozona? Misy mamboly horohoro? Voakitika ny tontolon’ny fanabeazana sy ny kolontsaina. Tsy voahaja intsony ny soatoavina. Nanjary mora sy tsotra amin’ny Malagasy ny mandatsaka aina, sns. Mikorontana ny fiainam-piarahamonina malagasy. Mahazo tsiny ny fanabeazana. Tsy […]




