Anisan’ny faritra nahavita ny dinika momba ny asa tamin’ny volana aogositra lasa teo ny tao Fitovinany. Samy nandray anjara tamin’ny famantarana ny olana, ny filàna, ny fahafahana ary ny vahaolana mifandraika amin’ny fampananana asa ao amin’ny faritra ireo mpisehatra. Nifantoka tamin’ny zava-misy sy ny antontanisa momba ny asa, ny fandrindrana […]
Taratra
PSNSSP: hahafahana misoroka aretina mialoha
Notanterahina ny fiandohan’ny herinandro teo ny fankatoavana ny fanamafisana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana eto Madagasikara. Nampahafantarina ny drafitra stratejika nasionaly momba ny fanaraha-maso ny fahasalamam-bahoaka (PSNSSP). Fototra lehibe iorenan’ny fiarovana ara-pahasalamana izany, hahafahana mamantatra mialoha ireo loza manambana sy mitatao ary hanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny ambana ara-pahasalamana. Hahafahana mandrindra haingana koa […]
Fanaraha-maso: saro-pady ny kalitaon’ny sakafo
Zava-dehibe ho an’ny sehatry ny fahasalamana ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao nataon’ny FAO sy ny ACSSQDA. Fotoana nanamarihina ireo vokatra lehibe azo tao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa TCP/MAG/ 4001 no natao. Niompana tamin’ny fomba fanaraha-maso ny kalitaon’ny sakafo, na eto an-toerana na ireo avy any ivelany, mba tsy hitera-doza ho an’ny […]
Alzheimer: manomboka ny iray volana iadiana amin’ny aretina
Nanomboka omaly ny fanamarihana ny Volana maneran-tany iadiana amin’ny aretina Alzheimer. Natomboka tamin’ny dinika torapo izany ho an’ny eto Madagasikara. Toy ny firenena maro maneran-tany, manamarika ny Iray volana natokana iadiana amin’ny aretina Alzheimer i Madagasikara. “Fantaro ara-potoana ny aretina alzheimer. Raha hita soritra mialoha dia afaka mitsinjo kokoa” ny […]
Taratry ny kanto
Manomboka maka fanapahan-kevitra hentitra ny firenena maro. Namoaka didy ny fitondram-panjakana any Aostralia fa ireo hira sy mozika nampiasana manontolo ny « intelligence artificielle » na « IA » dia tsy ekena ho anisan’ny hira ho heno any an-toerana amina sehatra samy hafa intsony. Azon’ny mpitendry zavamaneno ampiasaina tahaka ny fitaovana rehetra eo am-pelatanany […]




