Noraofin’ny jiolahy avokoa ny taolambalo tao anatin’ny fasana roa novakin’izy ireo tao amin’ny fokontany Antanifotsy, kaominina Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, ny alin’ny alahady 30 marsa teo. Fasana efa nidanadana no hitan’ny mpandalo. Nampandre ny tomponandraikitra sy ny tompom-pasana ity farany. Nojerena ny tao anatin’ny fasana, kinanjo efa nokorontanin’ireo tsy valahara. Naka […]
Taratra
Nidona tamin’ny kamiao : Mpitondra moto maty tsy tra-drano
Maty teo no ho eo ny mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny sampanan-dalana Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, ny sabotsy 30 marsa teo. Iray hafa naratra. Vaky loha, namoy ny ainy ny lehilahy iray nitondra moto teny amin’ny RN1, sampanan-dalana Ambodiafontsy, Ampitatafika, ny sabotsy 29 marsa teo tamin’ny 11 ora. Nanao taingin-droa, […]
Volley-CJSOI : Nanomboka ny fifantenana
Nanomboka ny alarobia 26 marsa teo, eny amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny fifantenana ireo Malagasy atleta eo amin’ny taranja volley-ball. Hiatrika ny CJSOI, hatao any Seychelles, ny volana jolay izao izy ireo. Atleta 36 avy eto Analamanga no nanomboka nivondrona voalohany, mandra-piandry ireo avy any amin’ny faritra, araka ny fanazavan’ny […]
«Mondial 2026» : Fito ireo firenena efa tafita
Ankoatra an’i Etats-Unis sy Canada ary i Mexique, mpampiantrano ny “Mondial 2026”, firenena efatra hafa no efa nahazo ny tapakila hiatrehana izany. Tao amin’ny faritr’i Azia, tafita voalohany ny Samourai an’i Japon, miampy ny Tim Melli an’i Iran. Ho an-dry zareo any Oceanie indray, ny Kiwis Nouvelle-Zelande, tafakatra amin’izany. Fanintelony […]
« World Cola PFL » : Hanokatra ny lalao ny fihaonan’ ny CFFA sy ny AS Fanalamanga
Hiatrika lalao avy hatrany, amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao, ireo klioba rehetra mifaninanana amin’ny “Pureplay Football League (PFL)”. Hiverina amin’ny faran’ny herinandro ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’ity, ny fifanandrinan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny AS Fanalamanga, […]