Taratra

Vaovao tambatra

Milanja 37 taonina (t) ireo vary novidian’ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM) tamin’ireo tantsaha ao Tsiroanomandidy raha toa ka novinavinaina ho 200 t izany teo aloha. Raisin’ny orinasa 1 500 Ar isaky ny kilao ireo vary akotry ary fanombohana ihany ny hetsika atao. Hitohy izany arakaraka ny fahavononan’ny lisitry […]

Taolagnaro: miato vonjimaika ny famokaran’ny QMM

Nampiato ny asa ao amin’ny toeram-pitrandrahana ao Mandena, Taolagnaro ny QIT Madagascar Minerals (QMM) noho ny fisian’ireo sakan-dalana eo amin’ny fidirana mankany amin’ny toeram-piasana. Tranga niseho tao anatin’ny telo herinandro. Niteraka fahatapahan’ny fidiran’ireo mpiasa, mpi­ara-miasa ary mpiantok’asa ao amin’ny toeram-pitrandrahana ireo sakan-dalana ireo. Vokany, najanona ny asa fitrandrahana raha mitohy […]

Famonoana afo: nahazo fanamiana fiarovana ny MNP

Natolotra ny Madagascar National Parks (MNP) tamin’ny fomba ofisialy, ny 28 aogositra teo ireo fanamiana sy kojakoja manokana (EPI) ilaina amin’ny famonoana afo. Nahatanterahana izany ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Baroudeur Massilia Pompier du Monde, any Fran­tsa. Nasongadin’ny talen’ny Faritra arovana sy ny harena voajanahary (DAPRNE), Ramatoa Ratefason Tojotsa­ra, ao amin’ny […]

Angovo: havaozina ny sehatry ny solika

Hitondra fanovana goavana eo amin’ny sehatry ny solika ny fanjakana. Hanohanana ny fampandrosoana ny toekarena, ny famatsiana ary hampihenana ny fanafarana any ivelany izany. Hanavao ny politika fampiasana solika ny fanjakana, hiantohana ny famatsiana sy hampihena ny fiankinandoha any ivelany. Tanjona ny hisitrahan’ny faritra rehetra, lavitra sy saro-dalana, ny vokatra. […]