Taratra

Ny olona no olana

Lasa adihevitra sy mahabe resaka ny sasany eo amin’ny tontolo politika, amin’izao, ny filazan’ny eo an­von’ny Ceni: zara raha misy 10% ny fandraisana anja­ran’ny antoko politika lehibe sy fiarahamonina sivily amin’ny fanentanana sy fanabeazana olom-pirenena hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Nefa fanavaozana manontolo no atao. Nefa ireo karazana izany […]

Fanomanana ny fifidianana: hanomboka anio ny dinika fakan-kevitra

Mikarakara dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana ny fiadidiana ny Fana­vaozana ny Repoblika. Eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, manomboka anio 1 septambra hatramin’ny 8 septambra izao izany. Heri­nandro hakàna ny hevitr’ireo antoko politika, vondron’antoko, fikambanana sy fiarahamonim-pirenena mpanara-maso fifidia­nana ary ireo hery velona isan-tsokajiny, izy ity. Hitondrana fanavaozana sy fanatsarana ny fikarakarana fifidianana eto […]

Fampiatoana mpitsaran’ny Pac: ”Tsy mitombina ”, hoy ny sendika (SMM)

Mangataka ny hanafoanana ny didy fampiatoana ny mpitsara telo eo anivon’ny Pac ny sendika. Nambaran’izy ireo fa tsy mitombina ny anton’ny fanapahan-kevitry ny minisitera. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny biraon’ny SMM, araka ny fanambaran’ny Sendikan’ny mpi­tsara eto Madagasikara (SMM) teny Anosy, omaly. Mano­loana ny fampiatoana amin’ny asany ireo mpitsara telo teo […]

Tselatra

Jiolahy telo indray voasambotry ny polisy avy amin’ ny CSP4 Isotry ny zoma 29 aogositra 2026 lasa teo. Nifanehitra tamin’ny polisy nanao fanamiana sivily nanao fisafoana tamin’ny alina izy ireo. Tra- maraina teny Manarintsoa Afovoany ny roa, tratran’ny fokonolona namaky trano teny Antohomadinika, ny harivan’io ny lehilahy iray hafa. Notanana hatao […]

Toamasina: roa lahy hita faty

Raim-pianakaviana roa samy hafa nisy nanatitra tao amin’­ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. Nisy nahita tao Ambalakisoa, ny tolakandron’ny alahady 30 aogositra lasa teo, ny lehilahy iray. Nahina mafy ny aina ka nentin’ny tsara sitrapo nihazo ny toeram-pitsaboana eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny vonjy taitra ao amin’ny Hopitaly Be izy. Nitsabo […]