Taratra

Natao tao Vatomandry ny atrikasa famolavolana ny fanatsarana ireo fitaovana hanangonana antontanisa sy antontan-kevitry ny asa rehetra natao hiadiana amin’ny tazomoka eto Madagasikara. Nofaritana ireo fanatsarana hirosoana amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Tanjona ny hananana loharanom-baovao tokana iraisan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny ady atao. Tapaka nandritra ny filankevitry […]

CHU: misokatra ny tolotra Scanner

Mampahafantatra ny hopitalim-panjakana CHU HJRA fa efa misokatra ho an’ny rehetra ny Scanner ao an-toerana. Ao amin’ny sampandraharaha Imagerie médicale no misy izany fitaovana fitiliana izany ary efa mandeha tsara, araka ny fanazavana hatrany. Ahafahana manatanteraka fitiliana ara-pitsaboana, amin’ ny alalan’ny teknolojia maoderina, ka manamora ny fikarakarana sy ny fitsaboana […]

IFR: Faritany mizaka tena no vahaolana

Mitaky ny hametrahana ny faritany mizaka tena ny fikambanan’ny Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika (IFR) nandritra ny fampahafantarana natao tetsy amin’ny boriborintany faharoa, ny faran’ny herinandro teo. Sady tsy fanjakana tokana no tsy fanjakana federalisma no takin’izy ireo fa faritany mizaka tena mihitsy. Tsy tokony hiandry ny fanapahan-kevitry ny fajakana foibe […]

Zoky Kaleba sy A. Ravaka: miantso ny handravo­nana ny disadisa

Manoloana ny savorovoro sy ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny taranja tsipy kanetibe, nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny tenany manokana avy ireo mpitantana toa an’i Zoky Kaleba sy Andriantsiferana Ravaka, omaly, tetsy amin’ny Arkadia Analakely. Manao antso avo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ity taranja ity izy ireo mba hifanatona sy hifampiresaka ary handravona […]

Volley-Ball- Amboaran’i Madagasikara: nanjakan’ny klioban’Analamanga ny fifaninanana

Tontosa tao amin’ny Kian­ja mitafon’i Mahajanga, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ireo sokajy U15, U21 lahy sy vavy. Nanjakan’ny ekipan’Anala­man­ga ny fifaninanana. Raha ho an’ny U15, vehivavy, lasan’ny MVBC ny amboara, rehefa nandavo ny CRJS Atsi­nanana, tamin’ny seta 3 no ho 2 izy […]