Taratra

Fidinana an-dalambe: Hitohy anio ny hetsiky ny Gen Z, olona telo naratra

Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fidinana an-dalambe ataon’ny Gen Z. Mitohy ny fifanjevoana amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana. Vokany, olona telo naratra tamin’ny sabotsy. Nanohy ny fidinana an-dalambe ny tanora avy amin’ny Gen Z teto an-drenivohitra, afakomaly. Miha­mafy hatrany ny fifandonana teo amin’ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana. […]

TARATRY ny KANTO

Nanao antso avo amin’ireo mpanakanto rehetra ny sendikàn’ny mpanakanto, omaly. Manetana izy ireo ny tsy handraisan’ireo mpanakanto anjara amina fampisehoana hatao hampisara-bazana sy hampifandrafy ny samy malagasy. “Miantso ireo mpanakanto zandry tsy hanaiky hataon’ny hafa fitaovana amin’izao toe-draharaha am-pototry ny fifamonoan’ny samy Malagasy izao. Miantso ihany koa ireo tompona fanamafisam-peo […]

Fianarantsoa: Nahazo Tranoben’ny boky

Tsangambato hanasoavana taranaka. Izay no antony nananganana ny Tranoben’ny boky (Maison du livre) ao An­kofa, Mahasoabe, Fianarantsoa. Razafimandimby André Claude no tompon-kevitra sy tompon’ny toerana. ” Hifoha velombe­lona ny saina. Hitombo velabelatra ny fahalalana” , hoy izy. Faharesen-dahatra sy finiavana manokana hanasoa ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny fanohanana ny kolontsaina ny […]