Tsy nampoizina izao toe-draharaham-pirenena izao? Na efa nahiana be ihany… Tsy maintsy atrehina ny olana fa tsy azo odian-tsy hita. Amin’izany, ny rariny itompoana, mody ho heloka; ny heloka ibabohana, mody ho rariny. Mby amin’ny hoe tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana? Na izany aza, politika ny raharaha. Tsy ilaozan’izay […]
Taratra
Fanendrena Praiminisitra : Maka ny hevitry ny rehetra ny Filoha Rajoelina Andry
Hivoaka tsy ho ela ny anaran’izay ho Praiminisitra, handimby an’i Ntsay Christian. Efa lasa any amin’ny filohan’ny Repoblika ny anarana avy amin’ny ankolafin-kery samihafa. Misy miaramila, politisianina, mpandraharaha ara-toekarena. “Zava-dehibe ny naneken’ny vondrona Irmar ny fisokafana. Raha ny And. 54 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ny vondrona parlemantera maro anisa ao amin’ny […]
TSELATRA
Zazakely vao iray volana monja, namoy ny ainy omaly, rehefa nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly tao anatin’ny herinandro. Sempotry ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny zandary tao an-tranony teny Tanjombato ny zoma 26 septambra lasa teo io zaza io. Nentina nihazo ny hopitaly izy saingy izao tsy tana izao ny ainy, raha […]
Ambodiafontsy : Raim-pianakaviana iray maty navadiky ny fiara
Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy amin’ny lalam-pirenena voalohany, ny raim-pianakaviana iray afakomaly alina tamin’ny 8 ora latsaka fahefany. Nitranga teo amin’ ny PK 10 + 100 digue Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny loza. Fiara 206, marika Peugeot, avy any Fenoarivo hihazo an’Antananarivo io niharan-doza io. […]
Ambohidrapeto : Telo lahy mpandroba taxi-moto voasambotra
Tratra teny Ambohidrapeto niaraka tamin’ny saron-tava sy moto fampiasany manao asa ratsy ny telo lahy mpandroba taxi-moto, afakomaly. Norebireben’ny telo lahy ny mpanao taxi moto iray ka nanaiky hitondra olona hihazo an’Ambohidrapeto. Mitetina 15 000 Ar no nofanarahan’izy ireo ho saran-dalana. Nanaraka tamin’ny moto hafa ireo roa lahy naman’ilay nentina […]




