Taratra

Fihaonan’ny filoha tamin’ny mpanao gazety : Hosokafana ny loharanom-baovao amin’ireo minisitera

Anisan’ireo noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, ny sabotsy teo, ny filohan’ny Ho­lafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ireo birao Anala­manga ary ireo filohan’ny fikambanana mpanao gazety maromaro, toy ny CJD, Appel, FMG­K­riMa, Chanut Mada, AJJM. Voaresaka ny maharary ny asa fanaovan-gazety ka anisan’ ny fanatsarana nampanante­nain’ny fitondram-panjakana ny hanokafana […]

Synad : “Tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana”

“Mahita izahay fa tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny sendikan’ny administratera sivily (Synad), Rakotondramanana Solofotahina Lalaina, teny Iavo­loha, afakomaly, taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny filohan’ny Repoblika. Efa niaraha-nahita ny zava-nisy teto amin’ny tany sy ny fanjakana nandritra ny fitondrana Tetezamita. Tsy vahaolana ny mbola hiverenan’ny krizy indray. Satria hijaly […]

Vondrona Irmar : Nidina an-dalambe koa ny mpanohana

Tanteraka tao anatin’ny filaminana ny sabotsy teo ny hetsika nataon’ny mpomba ny filoha Rajoelina Andry. Nasehon’izy ireo ny mbola fanohanany ny fitondrana sy ny fitsipahana ny korontana. Samy niainga amin’ny boriborintany nifanakaiky ny diabe nataon’ireo fikambanana, olon-tsotra naneho ny fiarahany amin’ny filoha Rajoe­lina Andry. Anisan’izany ny nifamotoanan’ireo avy eny amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Manameloka ny herisetra atao amin’ny tanora ireo ray aman-dreny ao Mahajanga ary manahy fampisaraham-bazana ny samy mpiray tanindrazana, araka ny nambaran’izy ireo ny sabotsy teo. «Ny fihe­tsiky ny mpitondra niatrehana ny fitakiana zo nataon’ ireo tanora. Fotoana izao handinihana ny fampitoviana ny fifampitondra ny rehetra», hoy izy ireo. Mitombo hatrany […]

Fitantanana eny ifotony: Mijery lavitra ny hoavin’ny kaominina ny MFFT

Nanatanteraka fivoriana niarahana ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny eo anivon’ny Sampandraharaha misahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony sy ny Sampandraharaha misahana ny fanajariana ny tany ny minisitera (MFFT). Tan­jon’izany fihaonana izany ny ho fiomanana sahady amin’ny fitantanana ny kaominina sy ny tanàn-dehibe manoloana ny fivoaran’izy ireo amin’ny […]