Voafidy ho filoha lefitra amin’ny fivoriambe faha-79 eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) any New York, Etazonia, hanomboka 16 septambra ho avy izao, i Madagasikara, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny minisitera. Ankoatra ny filohan’ny fivoriana, misy 21 ireo filoha lefitra. Avy amin’ny vondrona iraisam-paritra toa an’i Afrika, na Eoropa, na Azia, […]
Politika
FILOHA Rajoelina Andry: « Adidin’ny mpitondra ny manova ny krizy ho fampandrosoana »
Nikabary omaly, nandritra ny fankalazana ny ny faha-60 taonan’ny CNUCED ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nilaza izy fa manana adidy ny mpitondra, hamadika ny krizy ho fanararaotana amin’ny fampandrosoana. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny Palais des Nations – Genève Suisse, ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny « Conférence des […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy mitovy ny tarehimarika ao anatin’ny fitanana an-tsoratra tamina biraom-pifidianana 47 amin’ny 169 ao amin’ny distrikan’i Vohipeno, faritra Fitovinany, araka ny tatitry ny kandidà depiote Irmar, i Tsabotokay Honoré, teny Tsimbazaza, afakomaly. Tena nisy ny tsy fahatomombanana taloha sy nandritra ny fifidianana, ka nametraka fitoriana eny amin’ny HCC ry zareo […]
fikirakirana voka-pifidianana ; « Tao anatin’ny fanajana ny safidim-bahoaka »
“Nanome toky ny Ceni fa ny fikirakirana ny valim-pifidianana dia natao tao anatin’ny fanajana ny safidim-bahoaka sy ny fangaraharana tanteraka, ka heverinay fa hitondra fitoniana sy filaminana.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, taorian’ny fanambarana ampahibemaso ny voka-pifidianana vonjimaika. Vokatra vonjimaika ihany no navoakan’ny Ceni, fa […]
Voka-pifidianana vonjimaika: natanjaka ny mahaleo tena, nahazo ny maro anisa ny Irmar
Namoaka ny voka-pifdidiana vonjimaika, omaly ny Ceni. Nanana ny toerany ny kandida mahaleotena. Nahazo maro anisa ny Irmar. Niverina amin’ny tanjany ny mpanohitra. Tontosa omaly, teny amin’ny foiben’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), ny lanonana nanambarana ny vokatra vonjimaika, fifidianana solombavambahoaka, natao ny 29 mey 2024. Miisa 163 […]