Politika

Governemantan’ny Fanavaozana : Praiminisitra faharoa Rajaonarison Mamitiana

Dimy andro taorian’ny fandravana ny governemanta, tafapetraka amin’ny toerany ny praiminisitra faharoa, hiandraikitra ny fanavaozana. Notendren’ny kolonely Randrianirina Michaël, hiara-mitantana ny mpanatanteraka aminy, Rajaonarison Mamitiana Jeannot. Efa alina, omaly, nivoaka ny anaran’izay ho praiminisitra faharoa, hitantana ny fahefana mpanatanteraka miaraka amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randriani­rina Michaël. Nametrahany fitokisana Rajaonarison Mami­tiana […]

FANTINA sy FINTINA

Mba ho fanavaozana mafy orina sy handraisan’ny Malagasy rehetra anjara no tanterahina, mila mi­fototra amin’ny fokonolona isika rehetra. Io ny namba­ran’ny mpitondra tenin’ny Sehatra famerenan-kasina ny fo­konolona (SFKF), izay mpandrindra nasionaly, Randrianasoloarimina Tiana, teny Faravohitra, afakomaly, ny amin’ny Fanavaozana ny amin’izao fotoana izao. Tsy hanome tolo-kevitra ny filohan’ny Fana­vaozana momba […]

Maka Alphonse – RAHARAHAM-PIRENENA: “Ny fikaonandoha no masi-mandidy”

“Raha ny tena marina, ny fikaonandoham-pirenena ihany no masi-mandidy amin’ ny fanapahan-kevitra amin’ny zavatra iray. Satria izay no manana ny rariny amin’izay hatao”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, ny amin’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao tsy ilaozan’ny fitakiana na fangatahana etsy […]

Ramanantsoa Harilala: “Hajaina ny fanjakana tan-dalàna sy ny andrimpanjakana”

Nanao veloma ny mpiara-miasa taminy, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo teo aloha, Ramanantsoa Harilala. Teny amin’ny Lapan’ny Tanàna, Analakely, no nanatanterahana izany. Manamafy ny fanajana ny didim-pitsarana izy. “Ekeko am-panajana tanteraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevi-panjakana, satria tafiditra ao anatin’ny fitandroana ny fanajakana tan-dalàna. Ao anatin’ny demokrasia sy ny fanajana ny lalàmpanorenana […]

FANTINA sy FINTINA

Hamelabelatra ny « Antso avo ho an’ny Tete­zamita iarahana manapaka, mirindra ary voasoritra mazava » ny eo anivon’ny fiarahamonimpirenena. Ho­tanterahina, anio, etsy amin’ny foiben’ny Rohy, Amba­tonakanga, izany. Tsiahivina fa efa nanao fanambarana ireo fiarahamonimpirenena an-jatony herinandro vitsy lasa izay, niresaka ny momba izany. Nitohy teny Ambatofahavalo ny hetsika fanohanana ireo […]