Politika

FANTINA sy FINTINA

Iriana ny hahavitan’ny fihaonambem-pirenena sy ny fifidianana Lalàmpanorenana ary ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, araka ny nambaran’ ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, nandritra ny fandraisany ireo iraky ny Sadc, omaly, teny Iavoloha. Nanteriny fa filoham-panjakana, araka ny fanapahan’ny HCC, ny tenany. Efa am-perinasa amin’ny fakan-kevitra ireo iraky ny Sadc. Anisan’ny efa […]

Mediatiora : “Ny fananan-tany sy ny fitsarana no mampikaikaika vahoaka”

“Ny antontan-taratasy maro an’isa indrindra azonay dia ny momba ny fananan-tany. Manaraka, ny amin’ny fitsa­rana. Ireo anankiroa ireo no anisan’ny mampikaikaika ny vahoaka malagasy ary vaindohan-draharahan’ny asa ataonay”. Izay ny fanazavan’ ny Mediatiora na ny mpiahy ara-drariny sy mpiaro ny va­hoaka, ny Pr Andrianai­votse­heno Ravaka, teny Anosy, omaly, taorian’ny fihaonany […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy misy ifandraisany amin’ny 666 ny tetikasa biometrika”

Natomboka omaly ny tetikasa famantarana biometrika ny olom-pirenena, feno 18 taona. Nisantatra izany tao amin’ ny kaominina Tanjombato, nialohavan’ny teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Tsy misy ifandraisany amin’ny isa 666 izany hoy ny filoham-panjakana. “Fantatray fa misy ahi­ahy sy resabe miparitaka, indrindra momba ny laharana sy famantarana tokana. Ny sasany aza […]

FANTINA sy FINTINA

Mpomba ny filoha teo aloha sy ny forongony ny 90 % amin’’ireo manodidina an’i Kly Randrianirina Michaël, raha ny nambaran’ny filohan’ny vovonana Tafita, Andriamiseza Alain. « Sarotra ny hisian’ny tena fanovana araka ny fitakian’ny vahoaka teny an-kianja », hoy izy. Nambarany fa anisan’ny nanome vola ireo Capsat koa izy ireo tamin’ny tolona. […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy afa-miala amin’ny fanavaozana ny Tafika”

“Tafika milamina, firenena milamina; Tafika mandroso, fi­renena mandroso”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Re­poblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nanomboka ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tafika teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Miompana amin’ny tari-dalana stratejika telo ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fanovana. Eo ny famaliana ao anatin’ny fotoana fohy […]